LC
Lectio Contexta

Vakiteny sy fandinihana isan’andro

Alahadin'ny sampakazo

Vakiteny voalohany

Bokin'Izaia 50,4-7.

Nomen'ny Tompo Tompo, ny lelan'ny mpianatra aho, mba hahaizako mankahery ny reraka, amin'ny teniko. Mamoha isa-maraina izy; mamoha ny sofiko izy, mba hihainoako, hoatra ny fihainon'ny mpianatra.
Nosokafan'ny Tompo Tompo ny sofiko, ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory,
Natolotro tamin'ny mpikapoka ahy ny lamosiko; ary tamin'ireo nanongotra ny volombavako ny takolako; ary ny tavako tsy nafeniko tamin'ny latsa sy ny rora.
Fa Iaveh Tompo namonjy ahy, ka ny latsa tsy nahaketraka ahy; ka ny tavako nataoko manahaka ny afo-vato, ary fantatro fa tsy ho menatra aho.
Fanadihadiana ara-tantara Vakiteny voalohany

Ao amin’ity andalan-tsoratra ity, mpaminany no miteny avy amin’ny rivotra israelita taorian’ny fahababoana, tondroina ho olona nasain’Andriamanitra hiatrika faharatsiana sy faniratsirana. Ny mpiteny dia manefa andraikitra manokana amin’ny maha-mpampianatra sy mpanome toky ny vahoaka reraka, izay voakasiky ny kitrotro sy tery ara-piainana, mety avy amin’ny fahafatesan’ny fanjakan’i Jodà sy ny fanapotehan’ny tempoly. Ao amin'ny andianteny hoe "natolotro tamin'ny mpikapoka ahy ny lamosiko", dia maneho fahavononana hiaritra ratra sy henatra ataon’ny hafa ilay mpaminany, fa tsy miaro tena na miala amin’ny hirifiry. Ny sarin’ny "afo-vato" amin’ny tavany dia manamafy ny faharetana sy tsy fihemorana amin’ny fanompoana na eo aza ny fanitrihana. Mifanandrify amin’io rehetra io ny fihariharin’ny fahatokiana sy ny fanolorantena ho amin’ny asan’ny Tompo, tsy mihemotra amin’ny fanamby na fanoherana.

Salamo

Salamo 22(21),8-9.17-18a.19-20.23-24.

Izay rehetra mahita ahy, manaraby ahy avokoa; misoka-molotra izy ary mihifikifi-doha:
Aoka izy hanankina ny tenany amin'ny Tompo. Aoka hovonjeny izy. Aoka hafahany izy fa tiany.
Fa amboa no mitangorona amiko; andian'olon-dratsy no mihenjy manodidina ahy; nandoaka ny tongotro aman-tànako izy;
mahisa ny taolako rehetra aho. Ireo kosa mandinika ahy sy mibanjina ahy;

zarain'izy ireo ny fitafiako, ary ilokany ny akanjoko.
Fa hianao kosa, Iaveh ô, aza manalavitra ahy! Hianao heriko, faingàna hamonjy ahy!
Dia hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho; hidera anao eo amin'ny fiangonana aho:
Miderà an'ny Tompo hianareo izay matahotra azy! manomeza voninahitra azy hianareo rehetra taranak'i Jakoba, manajà azy hianareo rehetra taranak'Israely!
Fanadihadiana ara-tantara Salamo

Ity salamo ity dia mitondra feo an’ny olona iharan’ny fanesoana sy fampijaliana eo anatrehan’ny vahoaka sy fahavalony. Amin’ny fanao jiosy, ity karazan-kira ity dia miasa ho fitarainana amin’ny Tompo, ilazana ny alam-baraka sy ny fahakiviana, ary mitaky valinkafatra avy amin’Andriamanitra. Ny sarin’ny "amboa mitangorona", "andon’olon-dratsy manodidina", sy ny fizaràna ny fitafiana dia miresaka about fahapotehana anaty voina sy fanambaniana amin’ny lafiny ara-batana sy ara-pihetseham-po. Ao anatin’ny fivavahana, izany dia fitaovana ihazonan’ny fiaraha-monina jiosy ny hevitra fa misy farany ny fahoriana, ary azo antenaina ihany koa ny famonjena avy amin’Andriamanitra. Ny fitodihana amin’ny fiangonana sy fiderana, manohitra ny fahanginana eo anatrehan’ny fahavalo, dia manamafy fa tsy tapitra amin’ny fitarainana ihany ny fifandraisana amin’ny Tompo. Eto, ny salamo dia mamadika ny zava-mahatsiravina ho fahafahana mitarika ny vondrona hibanjina famonjena sy fankalazana.

Vakiteny faharoa

Taratasin'i Md. Paoly Apostoly ho an'ny Filipiana 2,6-11.

na dia tao amin'ny fomban'Andriamanitra aza izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin'Andriamanitra ho zavatra nobaboiny,
fa nialany izany tamin'izy naka ny fomban'ny mpanompo, ka tonga mitovy amin'ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin'ny fisehoany rehetra,
ary nilatsa-tenany ho ambany, nanolo-tena hanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana.
Ho valin'izany kosa, dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra izy, sy nomeny anarana mihoatra ny anarana rehetra,
mba handohalika amin'ny anaran'i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etý an-tany, na ny any ambany,
ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa Jesoa-Kristy dia Tompo efa niditra amin'ny voninahitr'Andriamanitra Ray.
Fanadihadiana ara-tantara Vakiteny faharoa

Ity toriteny litorjika nampidirin’ny Apostoly Paoly ho an’ireo Filipiana ity dia mitrandraka ny dikan’ny fanetry tena sy fanekena fahafatesana amin’ny hazo fijaliana. Ny vondrom-piara-monina kristianina tany Filipi, toa ireo vondrona vaovao avy amin’ny foko samihafa sy sokajin’ny mpanompo sy mahantra, dia mila fomba hihazonana firaisankina sy fanajana ao anatin’ny rafitra misy andriana sy hafa ambony. Ny andian-teny hoe "tsy nitana fitoviana amin’Andriamanitra fa nalatsany izany" dia manasongadina ny fanaovana tsy mora izay mety ho zony sy hajany, enjehin’ny fanompoana sy fifehezana ny tenany manokana manoloana ny fanambaniana. Ny andininy hoe "nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra izy" dia maneho, ao amin’ny loha-hevitra kristianina, ny fifandimbiasan’ny fanetren-tena sy hasandratra: vokatry ny fanoloran-tena sy ny fahafatesana dia mahazo fankatoavana sy fahefana ara-panahy. Ny firafitry ny fiarahamonina sy ny fianakaviana kristianina dia heverina ho novaina amin’ny fandraisana anjara amin’ny fiketron’ny Tompo sy amin’ny famonjena avy amin’ny Ray.

Evanjely

Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Matio 26,14-75.27,1-66.

Ary tamin'izay ny anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy atao hoe Jodasy Iskariota nankany amin'ny lohandohan'ny mpisorona,
ka nanao taminy hoe: Homenareo hoatrinona aho, dia hatolotro anareo izy? Dia nanisa farantsa kely telopolo ho azy izy ireo.
Hatramin'izay dia nikendry izay hamadihana azy izy.
Ary tamin'ny andro voalohany fihinanana ny azima, dia nanatona an'i Jesoa ny mpianany ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboaranay hihinananao ny Paka?
Dia hoy Jesoa taminy: Mankanesa any an-tanàna ao amin-dranona ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoan'androko, ka hanao ny Paka ato aminareo aho sy ny mpianatro.
Nanao araka izay nasain'i Jesoa nataony ny mpianatra ka namboatra ny Paka.
Nony hariva ny andro, dia nipetraka hihinana izy mbamin'ny mpianany roa ambin'ny folo lahy.
Teo am-pihinanana dia hoy izy: Lazaiko marina aminareo fa ny anankiray aminareo hamadika ahy.
Nalahelo mafy izy ireo ka samy nanontany hoe: Moa izaho va izany, Tompoko?
Dia namaly izy ka nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao an-dovia, izy no hamadika ahy.
Ny Zanak'olona dia mandeha araka ny nanoratana azy; kanefa loza ho an'izay olona hamadika ny Zanak'olona! tsara ho azy ny tsy teraka.
Dia mba niteny Jodasy ilay namadika azy nanao hoe: Raby, moa izaho va izany? ka novaliany hoe: Voalazanao.
Mbola teo am-pihinanana, dia nandray mofo Jesoa, notsofiny rano sy novakiny, ary nomeny ny mpianany ka hoy izy: Raiso ary hano; ity no vatako.
Rahefa izany, dia nandray ny kalisy izy, ary rahefa nanao fisaorana dia nomeny azy ireo nataony hoe: Isotroinareo rehetra ity;
fa ity no rako, dia ny ran'ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka.
Lazaiko aminareo, fa tsy hisotro amin'itony vokatry ny foto-boaloboka itony intsony aho, ambara-pihavin'ny andro hiarahako misotro aminareo ny vaovao indray, any amin'ny fanjakan'ny Raiko.
Ary rahefa nanao hira fisaorana izy ireo, dia lasa nankany amin'ny tendrombohitry ny Oliva.
Dia hoy Jesoa taminy: Ho tafintohina noho ny amiko hianareo rehetra anio alina, fa efa voasoratra hoe: Hokapohiko ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry andrasana;
fa rahefa tafatsangana aho, dia hialoha anareo any Galilea.
Fa Piera namaly hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza izy rehetra, izaho tsy ho tafintohina na oviana na oviana.
Ary hoy Jesoa taminy: Lazaiko marina aminao fa anio alina alohan'ny maneno akoho, dia handà ahy intelo hianao.
Fa hoy Piera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handà anao. Dia nilaza toy izany koa ny mpianatra rehetra.
Tamin'izay Jesoa sy ny mpianany dia tonga tao amin'ny saha anankiray atao hoe Getsemaný, ary hoy izy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto hianareo, raha mbola mankany hivavaka aho.
Ary nitondra an'i Piera sy izy roalahy zanak'i Zebede hiaraka aminy izy, dia nanomboka nozoin'alahelo sy fahoriana mafy.
Ka hoy izy tamin'ireo: Ory ny fanahiko ka ila hahafaty ahy; mijanòna eto ka miaraha miari-tory amiko.
Ary nony nandroso kely izy, dia nihohoka tamin'ny tany ka nivavaka nanao hoe: Raiko, raha azo atao, aoka hesorina amiko ity kapoaka ity, kanefa aoka tsy ny sitra-poko no ho tanteraka, fa ny anao.
Dia nankeo amin'ny mpianany izy, ka hitany fa natory ireo, dia hoy izy tamin'i Piera: Hay hianareo tsy nahazaka ny miara-miari-tory amiko ora iray akory?
Miambena sy mivavaha, mba tsy ho latsaka amin'ny fakam-panahy hianareo. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.
Dia nandeha fanindroany izy ka nivavaka hoe: Raiko, raha tsy azo esorina ity kapoaka ity fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ho tanteraka anie ny sitra-ponao.
Ary niverina izy ka nahita azy natory, fa efa navesatra ny masony;
dia nilaozany ireo ka nandeha indray izy nivavaka fanintelony, ary ny teniny teo no naveriny.
Izay vao nankeo amin'ny mpianany izy ka nanao taminy hoe: Matoria amin'izao hianareo, ary mialà sasatra, indro fa efa antomotra ny fotoana, ary efa hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ny Zanak'olona.
Mitsangàna hianareo, andeha isika; fa efa akaiky ilay hamadika ahy.
Raha mbola niteny izany izy, dia indro tamy Jodasy isan'ny roa ambin'ny folo lahy, arahin'ny vahoaka be nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona.
Efa nomen'ilay mpamadika famantarana toy izao izy ireo: Izay horohako no izy, ka sambory.
Ary niaraka tamin'izay dia nanatona an'i Jesoa izy ka nanao hoe: Arahaba, Raby; dia nanoroka azy.
Ary hoy Jesoa: Ry sakaiza, haninona aty hianao? Tamin'izay dia nanatona ny sasany ka nisambotra an'i Jesoa sy nihazona azy.
Ary indro ny anankiray amin'izay teo amin'i Jesoa nandray ny sabany, dia namely ny mpanompon'ny lehiben'ny mpisorona ka nahafaka ny sofiny anila.
Fa hoy Jesoa taminy: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao, fa izay rehetra hamely amin'ny sabatra dia ho fatin'ny sabatra.
Moa ataonao fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko aho, ka haniraka anjely tsy omby lejiona roa ambin'ny folo izy ho eto amiko?
Fa hatao ahoana àry no hahatanteraka ny Soratra Masina izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izao?
Ary tamin'izay dia hoy Jesoa tamin'ireo vahoaka ireo: Mova tsy ny hisambotra jiolahy hianareo mitondra sabatra sy langilangy hisambotra ahy; nipetraka isan'andro teo aminareo aho, nampianatra teo an-tempoly, nefa tsy nosamborinareo;
fa tonga izany rehetra izany mba ho tanteraka izay efa voasoratry ny Mpaminany. Ary tamin'izay dia nandao azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.
Ary izay nisambotra an'i Jesoa dia nitondra azy tany amin'i Kaifa lehiben'ny mpisorona, izay nivorian'ny mpanora-dalàna sy ny loholona.
Nanaraka azy teny lavidavitra teny Piera, hatrany an-tokotanin'ny lehiben'ny mpisorona. Niditra tao izy dia niara-nipetraka teo amin'ny mpiandry raharaha mba hahita izay farany.
Tamin' izay ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona rehetra dia nitady izay hiampangana lainga an'i Jesoa hamonoana azy,
fa tsy nahita izy na dia betsaka aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Nony farany, dia nisy roa tonga,
ka nanao hoe: Ilay io nilaza hoe: Mahay mandrava ny tempolin'Andriamanitra aho, ary mahay manangana azy amin'ny hateloana indray.
Dia nitsangana ilay lehiben'ny mpisorona, ka nanao taminy hoe: Nahoana no tsy valianao izany fiampangan'ireo anao izany?
Fa tsy niteny Jesoa. Ary hoy ilay lehiben'ny mpisorona taminy: Mandidy anao amin'ny anaran'Andriamanitra velona aho, hilaza aminay raha hianao no Kristy Zanak'Andriamanitra.
Dia hoy Jesoa taminy: Voalazanao. Ary lazaiko aminareo koa fa indray andro any hianareo hahita ny Zanak'olona mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra be fahefana sy avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.
Tamin'izay dia notriarin'ilay lehiben'ny mpisorona ny fitafiany ka hoy izy: Niteny ratsy an'Andriamanitra izy, ka ahoana indray no ilantsika vavolombelona? Indro efa renareo ny fitenenany ratsy an'Andriamanitra:
ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Mendrika ho faty izy.
Dia nororany ny tavany ka nasiany totohondry izy;
ary ny sasany sady namely tehamaina azy no nanao hoe: Vinanio, ry Kristy, iza no namely anao?
Tamin'izany Piera nipetraka teo alatrano, ary nisy ankizivavy anankiray nanatona azy ka nanao taminy hoe: Hianao koa naman'i Jesoa Galileana;
fa nolaviny teo anatrehan'izy rehetra izany ka hoy izy: Tsy fantatro izay lazainao.
Dia nankeo am-bavahady izy, ndeha hitsoaka, fa hitan'ny ankizivavy anankiray hafa koa, ka nolazainy tamin'ny olona teo hoe: Ity koa naman'i Jesoa Nazareana;
fa nandà fanindroany indray izy sady nianiana nanao hoe: Tsy fantatro izany lehilahy izany.
Nony afaka kelikely dia nohatonin'ny olona teo Piera, ka nilazany hoe: Marina tokoa raha tsy namany hianao, fa na ny fiteninao aza dia ampy hahalalana izany.
Ary tamin'izay dia sady niozona izy no nianiana fa tsy fantany izany lehilahy izany. Niaraka tamin'izay naneno ny akoho,
ka tsaroan'i Piera ny tenin'i Jesoa nanao hoe: Alohan'ny maneno akoho, handà ahy intelo hianao. Dia nivoaka izy ka nitomany fatratra.
Ary nony maraina ny andro dia niara-nihevitra izay hahafaty an'i Jesoa ny lohandohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona;
ary rahefa nafatony izy dia nentiny ka natolony an'i Pontsy Pilaty governora.
Tamin'izay Jodasy ilay namadika azy, raha nahita fa nohelohina izy, dia nanenina ka namerina ny farantsa kely telopolo tamin'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona
nanao hoe: Nanota aho fa nanolotra ny rà marina. Ahoanay izany? hoy ireo, fa asanao.
Dia natsipiny tao anatin'ny tempoly ny vola, ka lasa izy nanao tadimody nananton-tena.
Ary nalain'ny lohandohan'ny mpisorona ny vola ka hoy izy: Tsy azo alatsaka ao amin'ny rakitra masina izany, satria vidin-drà;
ary nony niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan'ny mpanao vilany ny vola hatao tany fandevenam-bahiny.
Izany no anaovana io saha io mandraka androany hoe Haseldamà, na hoe sahan-drà;
ary tanteraka tamin'izay ny tenin'i Jeremia mpaminany nanao hoe: Dia nalainy ny vola telopolo, vidin'ilay notombanan'ny zanak'Israely,
ka nomeny hamidy ny sahan'ny mpanefy vilany, araka ny nandidian'ny Tompo ahy.
Dia tonga teo anatrehan'ny governora Jesoa ka nanontanin'ny governora hoe: Hianao va no mpanjakan'ny Jody? Voalazanao, hoy Jesoa taminy;
fa ny fiampangana nataon'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona azy no tsy novaliany kely akory,
ka hoy Pitaly taminy: Tsy renao va izany zavatra maro iampangana anao izany?
Fa tsy namaly izy na dia indraim-bava aza, ka gaga dia gaga ny governora.
Ary isaky ny fetin'ny Paka dia fanaon'ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray tian'ny vahoaka.
Ary tamin'izay dia nisy mpifatotra anankiray malaza atao hoe Barabasy,
ka rahefa nivory ny vahoaka, dia hoy Pilaty taminy: Iza no tianareo halefako ho anareo, Barabasy sa Jesoa izay atao hoe Kristy?
satria fantany fa fialonana no nanoloran'izy ireo an'i Jesoa.
Ary raha nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, dia nampaniraka taminy ny vadiny hilaza hoe: Aza manao na inona na inona amin'io Lehilahy marina io hianao, fa nampahory ahy be ihany izay nanofisako azy halina izay.
Tamin'izay ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona nahatarika ny vahoaka hangataka an'i Barabasy sy hampamono an'i Jesoa.
Dia niteny indray ny governora nanao hoe: Iza no tianareo halefako ho anareo amin'izy roa lahy? Barabasy, hoy izy ireo.
Ary hoy Pilaty taminy: Ahoana kosa àry no hataoko amin'i Jesoa, izay atao hoe Kristy?
Aoka hofantsihana amin'ny hazo fijaliana izy, hoy izy rehetra. Fa inona àry no ratsy nataony e? hoy ny governora. Dia vao mainka nihorakoraka izy nanao hoe: Fantsiho amin'ny hazo fijaliana izy.
Nony hitan'i Pilaty, fa tsy nahomby izy fa vao mainka nitombo aza ny tabataba, dia nampaka rano izy ka nanasa tànana teo anatrehan'ny vahoaka ary nanao hoe: Afa-tsiny amin'ny ran'io Lehilahy marina io aho; fa raharahanareo.
Dia namaly ny vahoaka rehetra nanao hoe: Aoka ho aminay sy amin'ny zanakay ny rany.
Tamin'izay dia nalefany Barabasy, ary Jesoa nony efa nasainy nokapohina dia natolony azy hofantsihana amin'ny hazo fijaliana.
Tamin'izay dia nentin'ny miaramilan'ny governora ho any amin'ny toerana fitsarana Jesoa, sady novoriny hanodidina azy ny miaramila namany.
Dia nendahany ny fitafiany ka nampitafiny kapaoty jaky izy;
ary nandrandrana fehiloha tsilo izy ireo, dia nasatrony ny lohany, sady nampitaniny volotara ny tànany an-kavanana; rahefa izany dia nandohalika an-kila teo anatrehany izy ary naneso azy hoe: Arahaba, ry mpanjakan'ny Jody.
Dia nororany izy, ary nalainy ny volotara ka nikapohany ny lohany.
Nony efa nolalaoviny toy izany izy, dia nesoriny ilay kapaoty ka nampitafiny azy indray ny fitafiany, ary nentiny hofantsihana amin'ny hazo fijaliana izy.
Rahefa tafavoaka ny tanàna, dia nifanena tamin'ny lehilahy Sireneana anankiray atao hoe Simona izy ireo, ka notereny io hilanja ny hazo fijalian'i Jesoa.
Ary nony tonga teo amin'ny tany atao hoe Golgotà izany hoe tanin'ny karan-doha,
dia nomeny divay miharo afero izy hosotroiny; fa nony nandramany dia tsy nety nisotro izy.
Ary rahefa voafantsika tamin'ny hazo fijaliana izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, mba ho tanteraka ny teny nolazain'ny mpaminany hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokàny ny akanjoko;
dia nipetraka niambina azy izy ireo.
Teo ambonin'ny lohany dia nasiany soratra milaza ny nanamelohana azy manao hoe: ITY NO JESO MPANJAKAN'NY JODY.
Nisy jiolahy roa niara-nofantsihana taminy tamin'ny hazo fijaliana, ny anankiray teo an-kavanany, ary ny anankiray teo an-kaviany.
Ary izay nandalo dia nihifikifi-doha nanevateva azy
nanao hoe: Ialahy, ilay mandrava ny tempolin'Andriamanitra sy manangana azy anatin'ny hateloana ity, vonjeo ilay ity ny tenan'ialahy; raha Zanak'Andriamanitra ialahy, mialà amin'ny hazo fijaliana.
Ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona dia naneso azy koa nanao hoe:
Ny sasany novonjeny, fa ny tenany kosa tsy hainy vonjena; raha mpanjakan'Israely izy, aoka hidina hiala amin'ny hazo fijaliana ankehitriny, dia hino azy isika.
Natoky an'Andriamanitra izy, ka raha tia azy Andriamanitra dia aoka hanafaka azy ankehitriny, satria Zanak'Andriamanitra aho, hoy ny filazany.
Dia nandatsa azy toy izany iretsy jiolahy roa izay niaraka nofantsihana taminy tamin'ny hazo fijaliana.
Ary hatramin'ny ora fahenina ka hatramin'ny ora fahasivy dia rakotry ny aizina ny tany rehetra.
Nony tokony ho tamin'ny ora fahasivy, dia niantso mafy Jesoa hoe: Elia, Elia, lamma sabaktany! izany hoe: Ry Andriamanitro! ry Andriamanitro, nahoana no dia nilaozanao aho?
Raha nandre izany ny sasany tamin'izay teo dia nanao hoe: Miantso an'i Elia ilay ity.
Dia nihazakazaka niaraka tamin'izay ny anankiray tamin'izy ireo ka nandray sponjy; nony novontosany vinaingitra dia notohiziny volotara ka natohony azy hotsentsefiny.
Fa ny sasany nanao hoe: Aoka hoe hozahantsika raha ho avy hanafaka azy Elia.
Ary niantso tamin'ny feo mahery indray Jesoa, dia niala aina.
Ary indro fa nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba teo amin'ny tempoly; nihorohoro ny tany, nitresaka ny vatolampy,
nisokatra ny fasana, ary betsaka ny fatin'ny olona masina efa nody mandry no nitsangana;
ka nony efa nitsangana tamin'ny maty Jesoa dia nivoaka tamin'ny fasana izy ireo, ka niakatra tany an-tanàna masina ary niseho tamin'ny maro.
Ilay kapiteny sy ny fehiny niambina an'i Jesoa kosa nony nahita ny horohoron-tany mbamin'ny zavatra rehetra tonga teo, dia raiki-tahotra mafy ka nanao hoe: Tena Zanak'Andriamanitra tokoa io Lehilahy io.
Nisy vehivavy maromaro koa nitazana teny lavidavitra teny, dia ireo izay nanaraka an'i Jesoa sy nanompo azy hatrany Galilea:
anisan'ireo Maria Madelena, sy Maria renin'i Jakoba sy Josefa, ary ny renin'ny zanak'i Zebede.
Nony hariva ny andro, dia nisy lehilahy manan-karena anankiray avy any Arimatia atao hoe Josefa, izay mpianatr'i Jesoa koa,
nanatona an'i Pilaty ka nangataka ny fatin'i Jesoa. Dia nasain'i Pilaty homena azy.
Noraisin'i Josefa ny faty, dia nofonosiny lamba fotsy madio,
ary naleviny tao amin'ny fasana vaovao nolavahana tamin'ny vatolampy, izay nampanaoviny ho an'ny tenany. Nony nakodiany ny vato makadiry tamin'ny varavaram-pasana, dia lasa izy.
Ary Maria Madelena, sy ilay Maria anankiray, dia teo ka nipetraka nanandrify ny fasana.
Ny ampitson'iny izay andron'ny fiomanana, dia nivory tany amin'i Pilaty ny lohandohan'ny mpisorona sy ny Farisiana
ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa fony mbola velona ilay mpamitaka iny dia nanao hoe: Rahefa afaka hateloana dia hitsangana aho.
Koa asaovy ambenana ny fasany ambara-pahafaky ny andro fahatelo, fandrao sokoin'ny mpianany ny fatiny, dia lazainy amin'ny vahoaka hoe: Nitsangana tamin'ny maty izy, ka ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany.
Dia hoy Pilaty taminy: Manam-piambina hianareo, koa mandehana, ambeno araka izay hainareo.
Nony nandeha izy ireo, dia sady nasiany tombo-kase ny vato no nametrahany mpiambina teo mba hahazoany antoka marina ny amin'ny fasana.
Fanadihadiana ara-tantara Evanjely

Ity fitantarana lava momba ny fahafatesan’i Jesoa dia mametraka amin’ny fomba nentim-paharazana jiosy sy romanina ny ady amin’ny fahefana, fialonana, sy fitrimpony ara-pivavahana. Ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanapaka dia mifampiraharaha amin’ny Jodasy, izay mpianatra nivadika ho mpamadika satria voavidy vola hanolotra an’i Jesoa. Ao amin’ny famonoana sy filazana fiampangana diso, miseho eo amin’ny foto-drafitrasa ara-dalàna jiosy sy romanina ny fifangaroan’ny fitsarana ara-panjakana sy ara-pivavahana. Ny sarin’ny "fijoroana vavolombelona mandainga", "fizarana akanjo", "fanapahan’ny vahoaka hijaly Jesoa", dia maneho rafitra fanavakavahana sy famadihana anatrehan’ny iray amin’ny havana akaiky sy ny rafitra sosialy. Ny fandohalihana sy fanesoana natao tamin’i Jesoa "mpanjakan’ny Jody" dia endrika iray manesoeso ny fitakiany maha-mpahary sy fanantenana mesianika. Eritreritra manan-danja amin'ny fitantarana io ny mety hitrangan’ny fahafatesana kanefa miaraka amin’ny filazana fa "raha afaka hateloana dia hitsangana": ny vato mandrakotra ny fasana, tombo-kase, sy ny mpiambina dia manamarina amin’ny fomba ara-tantara sy ara-panjakana ny herin’ny fitantanana sy ny tahotra ho amin’ny fitohizan’ny fitaka. Ny fifanosivan’ny fahalemen’ny mpanaraka, ny fitiavan-kery ara-panjakana, ary ny fahaizan’i Jesoa manaiky sy mandray sitrapon’Andriamanitra dia miteraka hetsika lehibe manova rafitra ara-pivavahana sy ara-tsosialy.

Fiheverana

Fanohizana ifandraisan’ny famoretana, fitarainana ary fanavaozana sosialy ara-pinoana

Miseho amin’ny fifanakalozan-kevitra ireo vakiteny fa tsy mifarana amin’ny fijaliana sy famoretana ny fihetsiky ny mpino, fa misy fivoarana sy fiovan-tsaina avy ao anaty rafitra misy fanoherana, fanambaniana, ary fanekena. Ny fandavana sy fanala-baraka amin’ny Evanjely, sy ny endriky ny faharetana isehoan’ilay mpaminany ao amin’ny bokin’Izaia, dia mifamatotra amin’ny fandaniana amin’ny vahoaka sy ny fitondrana: eto no mamolavola fomba fijery fa ny fahoriana sy fahaketrahana dia afaka mitoetra ao anaty fomban-drazana sy lamina ara-tsaina ho lasa angovo mitondra fahavononana sy tanjaka.

Ny fampitambaran’ny fitaintainan’ny Salamo sy ny fitiavan-tena voafehin’ny Epistily dia manome sehatra isian’ny fanavaozana momba ny fandrindrana fiaraha-monina: miova amin’ny alalan’ny fahalemena no andraisana fahefana sy voninahitra, mitaky amin’ny vondrom-piarahamonina ny hanavao ny laharam-pahamehana sy hijery indray ny antony sy fanjakazakana eo amin’ny fiainam-piangonana sy fiarahamonina. Ny fiovan’ny toeran’ny fitarainana ho fahavononana hidera sy hanompo dia mitaky rafitra fikarakarana sy fandraisan’andraikitra amin’ilay iombonana.

Eto, miseho fa mitohy amin’ny rafitra ankehitriny ny fifehezana sy fanenjehana ara-panjakana ary an-draharaha ara-pinoana, fa tsy tapitra amin’ny olona iray na andron’ny baiboly ihany izany. Manome ohatra amin’ny fifandonan’ny hery sy fomban-drazana izay miteraka adihevitra sy hevitra vaovao momba ny fahamarinana, andraikitra, ary fahafahana manoloana ny hery sy ny fanimbazimbana ataon’ny sasany amin’ny hafa ny fitambaran’ity fitantarana ity.

Ny fitambaran’ny vakiteny dia mampiseho fa ny fahoriana, lanonana, fitarainana, sy faneken-tena dia miara-miasa amin’ny famoronana rafitra vaovao manohitra sy manova tsara ireo hery sy fiandrianana nisy, ka mbola mirefarefa amin’ny fiarahamonina maoderina izany.

Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT

Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.

Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.