Alatsinainy Fahavalo amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Vakiteny voalohany
Taratasin'i Md. Paoly ho an'ny Galata 4,22-24.26-27.31.5,1.
Voasoratra ao fa nanan-janaka roa lahy i Abrahama, ny iray tamin'ny andevovavy, ary ny iray tamin'ny olona afaka. Ilay zanak'andevovavy, nateraka araka ny nofo; ary ilay zanak'olona afaka, araka ny fampanantenana. Ohatra amin'ny fanekena roa izy roa vavy ireo: ny iray moa, avy amin'ny tendrombohitr'i Sinai, miteraka ho amin'ny fanandevozana, dia Agara izany Fa Jerosalema any ambony izay renintsika kosa, dia tsy mba andevo; fa voasoratra hoe: Mifalia, ry momba, dia hianao izay tsy niteraka! Miantsoa mafy amin-kafaliana sy firavoravoana, hianao izay tsy mbola nihetsi-jaza! Fa ny zanaky ny mananotena no maro noho ny an'izay manam-bady! Koa amin'izany, ry rahalahy, tsy zanak'andevo isika, fa zanak'olona afaka. Efa navotan'ny Kristy ho amin'ny fahafahana isika, ka mijoroa amin'izany, fa aza mety hampidirina amin'ny jiogan'ny fanandevozana intsony.
Salamo
Salamo 113(112),1-2.3-4.5a.6-7.
Midera hianareo, ry mpanompon'ny Tompo, midera ny anaran'ny Tompo. Isaorana anie ny anaran'ny Tompo, dieny ankehitriny ka ho mandrakizay! Hoderaina anie ny anaran'ny Tompo, hatreo amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatreo amin'ny filentehany. Tafasandratra ambonin'ny firenen-drehetra Iaveh, mihoatra ny lanitra ny voninahiny. Iza no tahaka an'ny Tompo Andriamanitsika? izay mipetraka any amin'ny avo, ary mitsinjo aty ambany, eny an-danitra sy ety an-tany. Manandratra ny ory hiala amin'ny vovoka izy, manesotra ny mahantra hiala amin'ny zezika izy;
Evanjely
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 11,29-32.
Ary nitangorona betsaka ny vahoaka, dia nilazany hoe: Taranaka ratsy ity taranaka izy; mitady famantarana izy, nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran'i Jonasa mpaminany. Fa tahaka ny naha-famantarana an'i Jonasa tamin'ny olona tany Niniva no haha-famantarana ny Zanak'olona koa amin'ity taranaka ity. Hiara-mitsangana amin'ny olona amin'ity taranaka ity ny mpanjakavavy avy any atsimo amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria niala avy tany amin'ny fara vazan-tany izy hihaino ny fahendren'i Salomona, nefa indro misy mihoatra noho Salomona eto. Hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity ny olona tany Niniva amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka tamin'ny toritenin'i Jonasa izy ireny, nefa indro misy mihoatra noho Jonasa eto.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT
Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.
Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.