Fahatsiarovana ny maty rehetra
Vakiteny voalohany
Bokin'ny Fahendrena 3,1-9.
Eo an-tànan'Andriamanitra ny fanahin'ny marina, ka tsy mahatratra azy ny fijaliana. Ohatran'ny maty izy, araka ny fiheveran'ny adala azy, ary ohatran'ny loza ny fialany amin'izao fiainana izao, ary toa fahalevonana ny fandehany avy eo afovoantsika; kanjo ao anatin'ny fiadanana izy. Na dia niharan-tsazy aza izy, eo imason'ny olombelona, ny fanantenany kosa henika ny tsy fetezana ho faty. Rahefa afaka ny fijaliana maivana foana, dia handray valisoa lehibe izy: fa efa nozahan'Andriamanitra toetra izy, ka hitany ho mendrika azy. Notsapainy toy ny volamena atao amin'ny memy izy, ka nankasitrahany, toy ny sorona dorana lavorary. Amin'ny andro hamalian-tsoa azy, hamirapiratra izy ireo; tahaka ny kilalaon'afo hivoivoy haingana amin'ny bozaka. Hitsara ny firenena sy hanapaka ny vahoaka izy; ary hanjaka aminy mandrakizay ny Tompo. Izy ireo niantehitra taminy ka hahafantatra ny marina; hiara-monina aminy amim-pitiavana, ny miraiki-po aminy, satria ho an'ny olom-pinidiny ny fahasoavana amam-pamindram-po.
Salamo
Salamo 27(26),1.4.7.8.9.13-14.
Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? Iaveh no mandan'ny aiko, ka zovy no hangovitako? Zavatra iray loha no angatahiko amin'ny Tompo sady iriko fatratra: Dia te-honina eo an-tranon'ny Tompo aho, amin'ny andro rehetra iainako, mba hifaly amin'ny toetra mahate-ho tian'ny Tompo, sy hibanjina ny fitoerany masina. Ry Iaveh ô, henoy ny feoko fa miantso anao aho, mamindra fo amiko, ekeo ny hatako. Hoy ny feoko hoe, milaza ny teny avy aminao: Tadiavonareo ny tavako; mitady ny tavanao aho, ry Iaveh. Aza afeninao amiko ny tavanao; aza roahina an-katezerana ny mpanomponao; hianao no famonjena ahy, ka aza mahafoy ahy ; aza ilaozanao aho, ry Andriamanitry ny famonjena ahy. Endrey, raha izay re aho no tsy matoky hahita ny hatsaram-pon'ny Tompo, any amin'ny tanin'ny velona!... Manantenà an'ny Tompo! Matokia ka herezo ny fonao! Manantena an'ny Tompo!
Vakiteny faharoa
Taratasin'i Md. Paoly Apostoly ho an'ny Romana 6,3-9.
Moa tsy fantatrareo va fa isika rehetra natao batemy ho amin'ny Kristy Jesoa, dia natao batemy ho amin'ny fahafatesany? Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batemy ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'ny Kristy tamin'ny maty, tamin'ny voninahitry ny Ray, no handehanantsika amin'ny fiainam-baovao koa. Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny fakan-tahaka ny nahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; fa fantatsika fa ilay olona tranainy toetrantsika dia niara-nofantsihana taminy, mba ho levona ny tenan'ny fahotana, ka tsy hanompo ny fahotana intsony isika, satria izay maty dia afaka amin'ny fahotana. Ary raha niara-maty tamin'ny Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa; sady fantatsika fa rahefa nitsangana tamin'ny maty izy dia tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
Evanjely
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Matio 25,31-46.
Ary rahefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak'olona otronin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny izy; ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra, ary izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy; ny ondry moa hataony eo an-kavanany; ary ny osy kosa eo an-kaviany. Amin'izay ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo an-kavanany hoe: Avia hianareo, ry nohasoavin'ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao. Fa noana aho, nomenareo hanina, nangetaheta aho, nomenareo hosotroina; nivahiny aho, nampiantranoinareo; tsy nitafy aho, notafianareo; narary aho, novangianareo, tany an-tranomaizina aho, notsidihinareo. Ary dia hamaly azy ny marina ka hanao hoe: Tompo, oviana no hitanay noana hianao ka nomenay hanina; nangetaheta ka nomenay hosotroinao? Oviana no hitanay nivahiny hianao ka nampiantranoinay, na tsy nitafy ka notafinay? Oviana no hitanay narary hianao na tany an-tranomaizina ka novangianay? Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto hianareo, dia nanao izany tamiko. Ary dia hiteny amin'ireo eo an-kaviany kosa indray izy ka hanao hoe: Mialà amiko hianareo, ry voaozona, mba ho any amin'ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an'ny demony sy ny anjeliny. Fa noana aho, tsy nomenareo hanina; nangetaheta aho, tsy nomenareo hosotroina; nivahiny aho, tsy nampiantranoinareo; tsy nitafy aho, tsy notafianareo; narary aho sy tany an-tranomaizina, tsy novangianareo. Dia hamaly azy koa ireo hanao hoe: Tompo, oviana no hitanay noana hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary, na tany an-tranomaizina ka tsy namonjy anao izahay? Fa hovaliany hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny tsy nanao izany tamin'ny anankiray amin'ireto kely indrindra ireto hianareo, dia tsy nanao izany tamiko koa. Dia ho any amin'ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin'ny fiainana mandrakizay.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT
Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.
Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.