Alahady Fahadimy amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Vakiteny voalohany
Bokin'Izaia 55,6-9.
Mitadiava an'ny Tompo, dieny mbola mety ho hita izy; miantsoa azy dieny mbola akaiky izy. Aoka ny ratsy fanahy hiala amin'ny làlany, ary ny meloka amin'ny heviny; ka hiverina amin'ny Tompo izy, dia hamindrany fo; dia amin'Andriamanitra fa mamela malalaka izy. Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo, tsy mba làlako. - Teny marin'ny Tompo. Tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany, no hahavon'ny làlako noho ny làlanareo, sy hahavon'ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Salamo
Salamo 145(144),2-3.8-9.17-18.
BETH Sitrako ny misaotra anao isan'andro, sy ny mankalaza ny anaranao mandrakizay doria! GHIMEL Lehibe Iaveh ka mendrika ny fiderana rehetra, ary tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany! HETH Mamindra fo sy miantra Iaveh, ary mahari-po sy feno hatsaram-po. TETH Tsara fo amin'ny olona rehetra Iaveh, ary mihatra amin'ny zava-boahariny rehetra ny famindram-pony. TSADE Marina amin'ny làlany rehetra Iaveh, ary mamindra fo amin'ny asany rehetra. KOPH Eo akaikin' izay rehetra miantso azy Iaveh, dia izay rehetra miantso azy amin'ny fony tokoa.
Vakiteny faharoa
Taratasin'i Md. Paoly Apostoly ho an'ny Filipiana 1,20c-24.27a.
tsy izany ihany, fa manantena sy matoky aho fa tsy hahazo henatra na amin'inona na amin'inona, fa mainka ho feno ny fahasahiako, ka na dia ankehitriny aza, toraka ny mandrakariva koa, dia homem-boninahitra amin'ny tenako ny Kristy, na velona aho, na maty. Satria raha ny amiko, dia ny Kristy no ahavelomako, ary ny fahafatesana no ahazoako tombony. Raha mbola velona amin'ny nofo anefa aho, dia ho fahavokaran'ny asako izany, ka tsy hitako izay hofidiko, fa sanganehana eo anelanelan'izy roa ireo aho: ny handeha ho any amin'ny Kristy moa, iriko sy tsara lavitra: nefa ny hitoetra amin'ny nofo kosa no ilaina kokoa noho ny aminareo. Fa izao ihany e: manaova fitondran-tena mendrika ny Evanjely hianareo; ary amin'izay, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo, fa hoe: maharitra amin'ny fanahy iray hianareo, sy miray fo miara-miasa hampandroso ny finoana ny Evanjely,
Evanjely
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Matio 20,1-16a.
Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka marainakoa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony. Ary rahefa nifanaiky tamin'ny mpiasa izy fa denie iray avy isan'andro ny karamany, dia nasainy hankany amin'ny tanim-boalobony izy ireo. Ary nivoaka izy tamin'ny ora fahatelo, dia nahita mpiasa hafa nidonanà-poana teny an-kianja; ka andeha koa hianareo, hoy izy taminy, mankany amin'ny tanim-boaloboko, fa homeko anareo izay antoniny. Dia nankany ireo. Ary nivoaka indray izy tamin'ny ora fahenina sy fahasivy, ka nanao toraka izany koa. Ary dia nivoaka koa izy tamin'ny ora faharaika ambin'ny folo, ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana, dia hoy izy taminy: Nahoana hianareo no midonanà-poana eto mandritra ny andro? Fa hoy ireo taminy: Satria tsy nisy nanakarama anay. Dia hoy izy taminy: Andeha koa hianareo mankany amin'ny tanim-boaloboko. Ary nony hariva ny andro, dia hoy ilay tompon'ny tanim-boaloboka tamin'ny mpitandrina ny fananany: Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany, aseseo avy atý amin'ny farany, ka hatrany amin'ny voalohany. Dia nanatona izay nilatsaka tamin'ny ora faharaika ambin'ny folo, ka samy nahazo denie iray misesy avy. Fa nony nanatona kosa ny voalohany, dia nanantena hahazo bebe kokoa, kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony. Teo am-pandraisana izany izy dia nimonomonona tamin'ny tompon-trano nanao hoe: Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto, kanefa nampitovinao aminay izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro. Dia izao no navalin'ny tompo ny anankiray tamin'izy ireo: Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho; moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko? Alao ny anao, dia mandehana, fa tiako ny manome an'ilay farany toraka ny anao koa. Tsy mahazo manao izay tiako amin'izay fananako va aho, sa ratsy ny masonao satria tsara aho? Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany; fa maro no antsoina, ary vitsy no voafidy.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT
Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.
Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.