Fetin'i Masindahy Matio Apostoly sy Evanjelistra
Vakiteny voalohany
Taratasin'i Md. Paoly ho an'ny Efeziana 4,1-7.11-13.
Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin'ny Tompo, mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo hianareo, amin'ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin'ny fahari-po, amin'ny fifandeferana, amim-pitiavana; mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban'ny fihavanana; fa tsy misy afa-tsy tena iray, sy Fanahy iray, araka ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray; tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, batemy iray, ary Andriamanitra iray, izay Rain'izy rehetra, ambonin'izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin'izy rehetra. Samy manana ny ambaratongany anefa ny fahasoavana nomen'ny Kristy antsika tsirairay avy. Dia izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin'ny fandavorariana ny olona masina, dia amin'ny fandrafetana ny tenan'ny Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak'Andriamanitra, sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan'ny Kristy;
Salamo
Salamo 19(18),2-3.4-5.
Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra, ary ny habakabaka manambara ny asan-tànany. Ny andro mitory fiderana amin'ny andro, ny alina mampandre izany amin'ny alina. Izany tsy mba fiteny, tsy mba teny izay tsisy haharenesana ny feony: fa mitety ny tany rehetra ny fanenon'ny feony, ka tonga hatramin'ny faran'ny tany ny fikarantsan'ny feony. Dia any izy no nanangan-day ho an'ny masoandro.
Evanjely
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Matio 9,9-13.
Ary nony niala teo Jesoa dia nahita lehilahy anankiray atao hoe Matio, nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy izy taminy: Andeha hanaraka ahy hianao. Dia nitsangana izy ka nanaraka azy. Ary raha nisakafo tao an-tranon'i Matio Jesoa, dia nisy poblikàna sy mpanota betsaka tonga niara-nihinana tamin'izy sy ny mpianany. Ka nony nahita izany ny Farisiana, dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: Nahoana ity Mpampianatrareo no miara-mihinana amin'ny poblikàna sy ny mpanota? Fa hoy Jesoa nandre izany: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. Mandehana àry hianareo, ka fantaro ny hevitr'izao teny izao: Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona; fa tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT
Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.
Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.