Talata Fahadimy amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Vakiteny voalohany
Bokin'ny Ohabolana 21,1-6.10-13.
Rano mandeha eo an-tanan'ny Tompo ny fon'ny mpanjaka, ka atongilany amin'izay rehetra tiany. Mahitsy eo imason'ny olona ny lalany rehetra, nefa Iaveh ihany no mandanja ny fo. Ny manaraka ny rariny sy ny hitsiny, no tsara eo imason'ny Tompo mihoatra noho ny sorona. Ny fijery miandranandrana sy fo miavonavona: fanilon'ny ratsy fanahy, dia fahotana avokoa izany. Ny fikasan'ny olo-mazoto ahazoan-karena be; fa izay mikorapaka foana amin'ny ataony dia mosary ihany no azony. Ny rakitra azon'ny lela mandainga, dia rehareha mihelina ho an'olona mila faty. Maniry ny ratsy ny fahanin'ny ratsy fanahy, ka ny sakaizany avy no tsy mahita fitia aminy. Raha faizina ny ratsy fanahy, mihahendry ny kely saina, ary raha toroana ny hendry dia vao mainka mihahendry. Dinihin'ny marina ny tranon'ny ratsy fanahy; Andriamanitra mamarina ny ratsy fanahy amin'ny loza. Izay manentsin-tadiny amin'ny fitarainan'ny mahantra, dia mba hitaraina koa fa tsy hovaliana akory.
Salamo
Salamo 119(118),1.27.30.34.35.44.
ALEPH Sambatra ny tsy manan-tsiny amin'ny lalany, izay mandeha araka ny lalan'ny Tompo. Ampahafantaro ahy ny làlan'ny didinao, dia hisaintsaina ny fahagagana ataonao aho. Nifidy ny làlan'ny fahamarinana aho, ataoko eo imasoko ny didinao. Omeo fahazavan-tsaina aho, hitandremako ny lalànao: sy hankatoavako azy amin'ny foko rehetra. Tariho aho amin'ny làlan'ny didinao, fa ao no hahitako fahasambarana. Sitrako tsy tapaka ny mitandrina ny didinao; mandrakariva sy mandrakizay.
Evanjely
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 8,19-21.
Ary tonga hankao amin'i Jesoa ny reniny sy ny rahalahiny, fa tsy afa-nihaona taminy noho ny habetsahan'ny vahoaka, ka nisy nilaza taminy hoe: Ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao te-hihaona aminao. Dia novaliany hoe: Ny reniko sy ny rahalahiko, dia izay mihaino sy mankatò ny tenin'Andriamanitra.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT
Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.
Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.