LC
Lectio Contexta

Vakiteny sy fandinihana isan’andro

Misy ihany koa amin'ny fiteny 11.

Alarobia Fahadimy amby roapolo tsotra Mandavan-taona

Vakiteny voalohany

Bokin'ny Ohabolana 30,5-9.

Voazaha toetra tamin'ny afo avokoa ny tenin'Andriamanitra; ampinga ho an'izay mialoka aminy izy.
Aza manampy na inona na inona amin'ny teniny; sao anariny hianao, ka ho hita fa mpandainga.
Zavatra roa no angatahiko aminao, ka aza dia lavina, dieny mbola tsy maty aho:
Ampanalaviro ahy ny fitaka aman-teny mandainga; aza misy omena ahy, na ny fahantrana, na ny harena. Fa izay hanina ilaiko no omeo ahy:
fandrao voky aho dia manda anao, ka hanao hoe: Iza moa Iaveh? ary andrao koa mangalatra aho, raha mahantra, ka hanamavo ny anaran'Andriamanitra.

Salamo

Salamo 119(118),29.72.89.101.104.163.

Halaviro ny làlan'ny lainga aho, 
fa omeo ahy ny soa ao amin'ny lalànao.
Ny lalàna naloaky ny vavanao no tsara ho ahy; mihoatra noho ny volamena sy volafotsy miavosa.
LAMED Iaveh ô, ny teninao, miorina mandrakizay any an-danitra.

Hazoniko lavitra ny làlan-dratsy rehetra ny tongotro, mba hitandremako ny teninao.
Ny didinao dia ahatongavako ho manan-tsaina; noho izany dia mankahala ny làlan'ny fitaka rehetra aho.
Halako, mahatsiravina ahy ny lainga; tia ny lalànao aho.

Evanjely

Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 9,1-6.

Ary namory ny Apostoly roa ambin'ny folo lahy Jesoa ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra sy hanasitrana ny aretina.
Ary naniraka azy hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hanasitrana ny marary.
Dia hoy izy taminy: Aza mitondra na inona na inona any amin'izay halehanareo any, na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa.
Ary na aiza na aiza trano hidiranareo, dia itoero mandra-pialanareo amin'izany tanàna izany.
Ary raha misy mandà tsy handray anareo, dia mialà amin'izany tanàna izany, ka na ny vovoka amin'ny tongotrareo aza dia ahintsano mba ho fiampangana azy ireo.
Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra, ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT

Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.

Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.