LC
Lectio Contexta

Vakiteny sy fandinihana isan’andro

Misy ihany koa amin'ny fiteny 11.

Alakamisy Fahadimy amby roapolo tsotra Mandavan-taona

Vakiteny voalohany

Bokin'ny Mpitoriteny 1,2-11.

Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana! Zava-poana ny zavatra rehetra.
Inona no soa azon'ny olona, amin'ny fisasarana rehetra ikezahany aty ambany masoandro?
Lasa ny taranaka iray, tamy ny taranaka iray. Ary ny tany maharitra mandrakariva ihany.
Miposaka ny masoandro, milentika ny masoandro, ary dodona izy mba hody any amin'ny fonenany, dia miposaka avy any ihany indray.
Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, vao misampotina indray, ka manomboka mihodina toraky ny teo.
Mankany amin'ny ranomasina avokoa, ny renirano, nefa tsy feno ny ranomasina; any amin'ny toerana alehany, no ankanesany tsy tapaka.
Miasa avokoa ny zavatra rehetra, mihoatra noho ny azo lazaina; ny maso tsy mamo mijery; ary ny sofina tsy ketra-mihaino.
Izay efa teo, no ho eo, ary izay efa natao, no hatao, fa tsy misy zava-baovao aty ambany masoandro.
Raha misy zavatra lazaina hoe: He, vaovao izany! dia efa nisy sahady tamin'ny siekla talohantsika izany zavatra izany.
Ny taloha, tsy tsaroan'ny olona; ny ho avy any aoriana koa, tsy hamela fahatsiarovana, ao amin'izay ho velona rahatrizay.

Salamo

Salamo 90(89),3-4.5-6.12-13.14.17.

Mampanjary ny olombelona ho vovoka hianao, ka manao hoe: Miverena, ry zanak'olombelona!
Fa eo imasonao, ny arivo taona, dia tahaka ny andro omaly, raha mandalo izy, ary tahaka ny fiambenana iray amin'ny alina.
Manindao azy toy ny nofy hianao; ny maraina, mitsimoka indray izy, toy ny ahitra;
mamony sy maniry izy ny maraina; fa malazo sy maina ny hariva.

Ampianaro hanisa tsara ny andronay izahay, mba hahazoanay fo hendry.
Miverena, ry Iaveh, mandra-pahoviana no?... Mamindrà fo amin'ny mpanomponao!
Vokiso ny hatsaram-ponao izahay, ny maraina, dia hifaly sy ravoravo, amin'ny andronay rehetra.
Ho aminay anie ny fanambinan'ny Tompo, Andriamanitray! Hamafiso aminay ny asan'ny tànanay; Eny, hamafiso ny asan'ny tànanay!

Evanjely

Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 9,7-9.

Ary Heroda tetrarka nandre izay rehetra nataon'i Jesoa ka tsy hitany be ihany izay hevitra, fa ny sasany nanao hoe:
Joany no nitsangana tamin'ny maty; ny sasany nilaza hoe: Elia no niseho; ary ny sasany nanao hoe: Ny anankiray tamin'ny mpaminany taloha no efa nitsangana tamin'ny maty.
Dia hoy kosa Heroda: Raha ny amin'i Joany, dia efa nasaiko notapahin-doha izy, ka iza indray àry izao olona reko manao zava-dehibe izao? Dia naniry hahita azy izy.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT

Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.

Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.