Zoma Fahadimy amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Vakiteny voalohany
Bokin'ny Mpitoriteny 3,1-11.
Samy misy fotoana voatendry ho azy avy ny zavatra rehetra; misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra aty ambany masoandro: fotoana hahaterahana, ary fotoana hahafatesana; fotoana hambolena, ary fotoana hanongotana izay nambolena. Fotoana hamonoana, ary fotoana hanasitranana; fotoana hanjerana, ary fotoana hananganana. Fotoana hitomaniana, ary fotoana hihomehezana; fotoana higogogogoana, ary fotoana handihizana. Fotoana hanelezam-bato, ary fotoana hanangonana azy; fotoana hamihinana, ary fotoana hifadiana ny fifamihinana. Fotoana hitadiavana, ary fotoana hamerezana, fotoana hitehirizana, ary fotoana hanariana. Fotoana handrovitana, ary fotoana hanjairana; fotoana hanginana, ary fotoana hitenenana. Fotoana hitiavana, ary fotoana hankahalana; fotoana hiadiana, ary fotoana hihavanana. Inona no soa an'izay miasa, amin'ny hasasarana iaretany? Nodinihiko ny asa asain'Andriamanitra hisasaran'ny zanak'olombelona; ka ny zavatra rehetra samy nataon'Andriamanitra ho tsara amin'ny fotoany avy: ny mandrakizay nataony ao am-pon'izy ireo koa, nefa tsy azon'ny olombelona fantarina ny asa ataon'Andriamanitra hatramin'ny fiandohany ka hatramin'ny fiafarany.
Salamo
Salamo 144(143),1a.2abc.3-4.
Nataon'i Davida. Isaraona anie Iaveh vatolampiko, izay nampianatra ny tànako hiady, ary ny rantsan-tànako hiantafika. Mpanao soa ahy aman-trano mimandako, fialofako avo amam-panafaka ahy, ampingako amam-pialofako, izay mandamina ny vahoakako hanoa ahy! Mpanao soa ahy aman-trano mimandako, fialofako avo amam-panafaka ahy, ampingako amam-pialofako, izay mandamina ny vahoakako hanoa ahy! Mpanao soa ahy aman-trano mimandako, fialofako avo amam-panafaka ahy, ampingako amam-pialofako, izay mandamina ny vahoakako hanoa ahy! Iaveh ô, inona moa ny olombelona no mba heverinao, ny zanak'olombelona, no mba ahinao? Tahaka ny tso-drivotra ihany ny olombelona; tahaka ny aloka mandalo foana ny androny.
Evanjely
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 9,18-22.
Indray andro, raha nivavaka tany amin'ny toerana mangingina izy ka teo aminy koa ny mpianany, dia nanontany azy ireo izy nanao hoe: Ataon'ny vahoaka ho iza moa aho? Ary namaly ireo ka nanao hoe: Ny sasany manao hoe Joany Batista, ny sasany milaza hoe Elia, ary ny sasany manao hoe: ny anankiray amin'ny mpaminany taloha no nitsangana tamin'ny maty. Fa hianareo kosa, hoy izy, mba manao ahy ho iza? Dia namaly Piera ka nanao hoe: Ny Kristin'Andriamanitra. Nefa norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza izany amin'olona, sady nampiany hoe: Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak'olona, ka harian'ny loholona sy ny lehiben'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna ary hovonoiny; fa hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT
Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.
Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.