LC
Lectio Contexta

Vakiteny sy fandinihana isan’andro

Misy ihany koa amin'ny fiteny 11.

Asabotsy Fahadimy amby roapolo tsotra Mandavan-taona

Vakiteny voalohany

Bokin'ny Mpitoriteny 11,9-10.12,1-8.

Ry zatovo, mifalia dieny mbola tanora hianao; aoka hahazo firavoravoana amin'ny fonao hianao amin'ny andron'ny fahatanoranao! Mandehana any amin'izay làlan'ny fonao, sy arak'izay fijerin'ny masonao. Fantaro anefa fa izany rehetra izany dia hiantsoan'Andriamanitra anao hotsaraina.
Esory ao am-ponao ny alahelo, ary alaviro ny vatanao ny ratsy, samy zava-poana ny hatanorana amam-pahamaitsovolo.
Tsarovy ny Mpahary anao, amin'ny andron'ny fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro ratsy ary tsy mbola akaiky ny taona hanaovanao hoe: - Tsy sitrako izao.
Dieny mbola tsy maizina ny masoandro, sy ny fahazavana ary ny volana aman-kintana, ary mbola tsy mitambatra indray ny rahona aorian'ny orana,
amin'ny andro angovitan'ny mpiandry trano, ikainkonan'ny lehilahy matanjaka, iatoan'ny ankizivavy mitoto, fa mihavitsy isa; ihamaizinan'ireo mitazana eo am-baravarankely,
ikatonan'ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe, nahamihamalemy ny feon'ny vato fikosoham-bary, izay itsanganan'ny olona mandre ny feon'ny voronkely sy ahalasanan'ny ankizivavy mpihira rehetra,
amin'izay atahoran'ny olona ny eny amin'ny fitoerana avo, izay ivadihan'ny olona fo eny an-dalambe, amin'izay amonian'ny amandie, sy ahatongavan'ny valala ho mavesatra, ary tsy hisy asany intsony ny kapra, fa miainga ho any amin'ny fonenany mandrakizay ny olona, ary mitety ny arabe ny mpitomany;
dieny mbola tsy tapaka ny kofehy volafotsy, mbola tsy vaky ny tamaboa volamena, mbola tsy vaky ny siny eo an-doharano, mbola tsy tapaka ny bolaky ka latsaka eo an-davaka famorian-drano;
dieny mbola tsy miverina amin'ny tany ny vovoka, araka ny toetrany taloha indray, ary ny fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra izay nanome azy.
Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitoriteny, zava-poana ny zavatra rehetra.

Salamo

Salamo 90(89),3-4.5-6.12-13.14.17.

Mampanjary ny olombelona ho vovoka hianao, ka manao hoe: Miverena, ry zanak'olombelona!
Fa eo imasonao, ny arivo taona, dia tahaka ny andro omaly, raha mandalo izy, ary tahaka ny fiambenana iray amin'ny alina.
Manindao azy toy ny nofy hianao; ny maraina, mitsimoka indray izy, toy ny ahitra;
mamony sy maniry izy ny maraina; fa malazo sy maina ny hariva.

Ampianaro hanisa tsara ny andronay izahay, mba hahazoanay fo hendry.
Miverena, ry Iaveh, mandra-pahoviana no?... Mamindrà fo amin'ny mpanomponao!
Vokiso ny hatsaram-ponao izahay, ny maraina, dia hifaly sy ravoravo, amin'ny andronay rehetra.
Ho aminay anie ny fanambinan'ny Tompo, Andriamanitray! Hamafiso aminay ny asan'ny tànanay; Eny, hamafiso ny asan'ny tànanay!

Evanjely

Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 9,43b-45.

fa norahonan'i Jesoa ny fanahy maloto, dia nositraniny ilay zazalahy ka nomeny an-drainy.
Dia talanjona izy rehetra noho ny halehiben'Andriamanitra. Ilay mbola gaga tamin'izay rehetra nataon'i Jesoa iny izy rehetra, dia hoy izy tamin'ny mpianany: Alatsaho tsara ao amin'ny sofinareo izao rehetra izao, satria tsy maintsy hatolotra ao am-pelatanan'ny olona ny Zanak'olona.
Fa tsy azon'izy ireo izany teny izany, fa takona taminy ka tsy fantany, sady tsy sahy nanontany azy ny amin'izany izy.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT

Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.

Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.