Alahady Fahaenina amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Vakiteny voalohany
Bokin'i Ezekiela 18,25-28.
Hianareo manao hoe: Tsy marina ny làlan'ny Tompo! Mihainoa àry, ry taranak'Israely: Moa ny làlako va no tsy mahitsy? Moa tsy ny làlanareo va no tsy mahitsy? Raha miala amin'ny fahamarinany ny marina ka manao ny tsy marina ary maty amin'izany, dia noho ny tsy marina nataony no ahafatesany. Fa raha miala amin'ny haratsiana nataony kosa ny ratsy fanahy, ka manaraka ny hitsiny sy ny rariny amin'ny ataony, dia hamelona ny fanahiny izy. Raha sokafany ny masony, ka miala amin'ny fahadisoana rehetra nataony izy, dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.
Salamo
Salamo 25(24),4bc-5.6-7.8-9.
DALETH Iaveh ô, ampahafantaro ny làlanao aho; ampianaro ny sakeli-dàlanao aho. DALETH Iaveh ô, ampahafantaro ny làlanao aho; ampianaro ny sakeli-dàlanao aho. HE Tariho amin'ny fahamarinanao aho, VAV ary ampianaro, fa Andriamanitry ny famonjeko hianao; hianao no antenaiko mandritra ny andro. ZAIN Tsarovy ny famindram-ponao, ry Iaveh, sy ny hatsaram-ponao, fa mandrakizay ireny. HETH Aza tsarovanao ny fahotan'ny fahatanorako, na ny hadisoako, fa tsarovy araka ny famindram-ponao aho, noho ny hatsaram-ponao, ry Iaveh. TETH Tsara sy mahitsy fo Iaveh; izany no anoroany làlana ny mpanota. IOD Mampizotra ny manetry tena amin'ny fahamarinana izy, mampianatra ny manetry tena ny làlany izy.
Vakiteny faharoa
Taratasin'i Md. Paoly Apostoly ho an'ny Filipiana 2,1-11.
Koa raha mba manana famporisihana ao amin'ny Kristy koa hianareo, na manana fanalana alahelo amin'ny fitiavana ihany, raha mba misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika, ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo, dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin'ny firaisanareo saina, ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra, tsy hanao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy, samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an'ny namany koa. Manàna izao saina amam-po hita tao amin'ny Kristy Jesoa izao: na dia tao amin'ny fomban'Andriamanitra aza izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin'Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, fa nialany izany tamin'izy naka ny fomban'ny mpanompo, ka tonga mitovy amin'ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin'ny fisehoany rehetra, ary nilatsa-tenany ho ambany, nanolo-tena hanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. Ho valin'izany kosa, dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra izy, sy nomeny anarana mihoatra ny anarana rehetra, mba handohalika amin'ny anaran'i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etý an-tany, na ny any ambany, ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa Jesoa-Kristy dia Tompo efa niditra amin'ny voninahitr'Andriamanitra Ray.
Evanjely
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Matio 21,28-32.
Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy, dia nanatona ny lahimatoa izy ka nanao taminy hoe: Andeha, anaka, miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio. Tsy handeha aho, hoy izy; kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany. Dia nankeo amin'ilay iray indray izy ka nilaza toraka izany koa. Handeha aho, tompoko, hoy io; kanefa tsy nandeha izy. Iza moa amin'izy roa lahy no nanao ny sitra-pon'ny rainy? Ny lahimatoa, hoy ireo. Dia hoy Jesoa taminy: Izaho milaza marina aminareo fa ny poblikàna sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo, ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa tonga teo aminareo tamin'ny làlan'ny fahamarinana Jonasy, nefa hianareo tsy nino azy; fa ny poblikàna sy ny vehivavy janga no nino azy; ary hianareo, na dia nahita izany aza, dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT
Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.
Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.