Alatsinainy Fahaenina amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Vakiteny voalohany
Bokin'i Joba 1,6-22.
Indray andro kosa, nony tonga teo anatrehan'ny Tompo ireo zanak'Andriamanitra, dia mba tonga teo afovoan'izy ireo koa Satana. Ka hoy Iaveh tamin'i Satana: Avy aiza hianao? Dia hoy ny navalin'i Satana: Avy nitety ny tany aho sy nitsangantsangana teny. Ary hoy Iaveh tamin'i Satàna: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va hianao? Tsy misy olona toa azy eny ambonin'ny tany, marina, mahitsy, matahotra an'Andriamanitra, ary mifady ny ratsy. Fa hoy Satana namaly an'ny Tompo: Moa matahotra an'Andriamanitra maimaim-poana va Joba? Tsy efa vitanao fefy manodidina va ny tenany, ny ankohonany mbamin'ny ananany rehetra? Fa nambininao ny asan'ny tànany, ka manenika ny tany ny biby fiompiny. Fa ahinjiro ny tànanao dia kasiho ny ananany, raha tsy manozona anao manatrika azy! Ka hoy Iaveh tamin'i Satana: Indro, azonao anaranam-po avokoa izay ananany, fa ny tenany tokana no aza kasihin-tànana. Dia niala teo anatrehan'ny Tompo Satana. Ary indray andro, raha ilay nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny zokiny lahimatoa iny, ireo zanany lahy aman-janany vavy, dia nisy iraka tonga nilaza tamin'i Joba hoe: Raha mbola niasa ny omby, ka nihinana teo akaikiny koa ny ampondravavy, dia tonga tampoka ny Sabeana nandroba azy ireo, sady namono ny ankizilahy tamin'ny lelan-tsabatra, fa izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao. Mbola miteny eo io, no nisy iray koa tonga nilaza hoe: Nilatsaka avy any an-danitra ny afon'Andriamanitra ka nandoro ny ondry mbamin'ny ankizilahy, sy nandevona azy, fa izaho irery no hany afa-nandositra hilaza izany aminao. Mbola miteny eo io, no nisy iray koa tonga nilaza hoe: Niantoraka tamin'ny rameva ny Kaldeana nizara telo toko, ka nandroba azy, sady namono ny ankizilahy tamin'ny lelan-tsabatra; fa izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao. Mbola miteny eo io, dia nisy iray koa tonga nilaza hoe: Nihinana sy nisotro divay tao amin'ny zokiny lahimatoa, ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ary indro nisy rivotra mahery nifofofofo avy any an-dafin'ny efitra, nanainga ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin'ireo zatovo ny trano, ka maty izy: izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao. Dia nitsangana Joba tamin'izay, nandriatra ny fitafiany, nanaratra ny lohany, nidaboka tamin'ny tany ary niankohoka nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any indray. Iaveh no nanome, Iaveh no naka; isaorana anie ny anaran'ny Tompo. Tamin'izany rehetra izany Joba tsy nanota akory, na nilaza hadalana momba an'Andriamanitra.
Salamo
Salamo 17(16),1.2-3.6-7.
Fivavak'i Davida. Ry Iaveh ô, mandrenesa ny rariny, henoy ny fitarainako; atongilano ny sofinao amin'ny fivavahako, izay tsy aloaky ny molotra misy fitaka. Hivoaka avy amin'ny tavanao anie ny fitsarana ahy; hijery ny marina anie ny masonao! Hianao efa nizaha toetra ny foko: namangy azy nony alina, nitsapa ahy tamin'ny memy, fa tsy mahita na inona na inona hianao. Tsy mifanohitra amin'ny fisainako ny vavako. Miantso anao aho, fa mamaly ahy hianao, ry Andriamanitra; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny fangatahako. Asehoy ny hatsaram-ponao, hianao izay mamonjy ny mifefy ao amin'ny tànana ankavanana, tsy ho azon'ny fahavalony.
Evanjely
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 9,46-50.
Ary nisy hevitra tonga tao an-tsain'ireo, dia ny amin'izay lehibe aminy. Fantatr'i Jesoa ny hevitra tao am-pony, ka naka zaza kely anankiray izy napetrany teo anilany, dia hoy izy tamin'izy ireo: Na iza na iza mandray itony zazakely itony amin'ny anarako dia mandray ahy, ary na zovy na zovy mandray ahy dia mandray ilay naniraka ahy; fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra dia izy no lehibe. Dia niteny Joany nanao hoe: Ry Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay, satria tsy namantsika izy; fa hoy Jesoa taminy: Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT
Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.
Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.