LC
Lectio Contexta

Vakiteny sy fandinihana isan’andro

Misy ihany koa amin'ny fiteny 11.

Fetin'ny Arkanjely Misely, Gabriely ary Rafaely

Vakiteny voalohany

Bokin'i Daniely 7,9-10.13-14.

Nijery aho, mandra-pametraka ny seza fiandrianana, izay nipetrahan'ny anti-dahy anankiray; fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany; tahaka ny volon'ondry madio, ny volon-dohany; lelafo ny seza fiandrianany; afo mirehitra, ny kodiarany;
ony afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany, arivoarivo no nanompo azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany. Dia nipetraka ny Mpitsara ka novelarina ny boky.
Nijery tamin'ny fahitana amin'ny alina aho, ka indro nisy toy ny Zanak'olona tamy teny ambonin'ny rahon'ny lanitra; nandroso izy nankeo amin'ilay anti-dahy, ka nentina ho eo anatrehany;
dia nomena azy ny fanapahana, sy ny voninahitra, amam-panjakana, ary nanompo azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra. Fanapahana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fanapahany.

Salamo

Salamo 138(137),1-2a.2bc-3.4-5.

Nataon'i Davida. Sitrako ny midera anao amin'ny foko rehetra, sy hihira ho anao amin'ny harpa eo anatrehan'ireo andriamanitra.
Sitrako ny miankohoka eo an-tempolinao masina, sy hankalaza ny anaranao, noho ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, fa nanao fampanantenana lehibe hianao, mihoatra noho ny voninahitry ny anaranao.
Sitrako ny miankohoka eo an-tempolinao masina, sy hankalaza ny anaranao, noho ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, fa nanao fampanantenana lehibe hianao, mihoatra noho ny voninahitry ny anaranao.
Sitrako ny miankohoka eo an-tempolinao masina, sy hankalaza ny anaranao, noho ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, fa nanao fampanantenana lehibe hianao, mihoatra noho ny voninahitry ny anaranao.

Tamin'ny andro niantsoako anao naneky ahy hianao, naverinao amin'ny fanahiko ny tanjaka aman-kerim-po.
Hidera anao, Iaveh, ny mpanjaka rehetra amin'ny tany, rahefa mandre ny teny to naloaky ny vavanao.
Hankalaza ny làlan'ny Tompo izy ireo, fa lehibe ny voninahitry ny Tompo.

Evanjely

Evanjely Masin'i Jesoa kristy Nosoratan'i Md. Joany 1,47-51.

Nony nahita an'i Natanaely tamy nanatona azy Jesoa, dia nilaza azy hoe: Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka.
Ka hoy Natanaely taminy: Ahoana no nahalalanao ahy? Ary hoy ny navalin'i Jesoa azy: Talohan'ny niantsoan'i Filipo anao, dia hitako tao ambanin'ny aviavy hianao.
Dia namaly azy Natanaely, ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak'Andriamanitra, hianao no Mpanjakan'Israely.
Ary hoy Jesoa taminy: Mino hianao satria nilazako fa hitako tao ambanin'ny aviavy hianao; mbola hahita zava-dehibe noho izany aza hianao.
Dia hoy koa izy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina ao ambonin'ny Zanak'olona hianareo.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT

Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.

Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.