Alarobia Fahaenina amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Vakiteny voalohany
Bokin'i Joba 9,1-12.14-16.
Dia niteny Joba ka nanao hoe: Fantatro tsara fa izany tokoa no izy: Ahoana no hahamarina ny olombelona mifandahatra amin'Andriamanitra? Fa raha mitady hifamaly aminy izy, dia tsy hahavaly azy, na dia iray amin'ny arivo aza. Fa hendry Andriamanitra ao am-pony, mahefa izy amin'ny heriny, Zovy moa no nanohitra azy, ka tsy naninon-tsy naninona? Mamindra ny tendrombohitra izy, ka tsy fantatr'izy ireo, mandrodana ireny amin'ny hatezerany izy; manifikifika ny tany amin'ny fanorenany izy, dia mihozongozona ny andriny. Mandidy ny masoandro izy, dia tsy miposaka io; asiany tombo-kase ny kintana. Izy irery no mamelatra ny lanitra, mandia ny onjan-dranomasina. Izy no nahary ny Orsa, ny Telonohorefy, ny Kotokelimiadilaona, ary ny lafin'ny lanitra atsimo. Manao zava-dehibe tsy hay fantarina izy, dia zava-mahagaga tsy tambo isaina. Indro fa mandalo eo akaikiko izy, tsy mahita azy aho, manalavitra indray izy, tsy mahatsikaritra azy aho. Raha mipaoka remby izy, zovy no hahasakana izany? Zovy no hanao aminy hoe: Fa inona ity ataonao? Ka izaho ve no hanonofy izay hamaly azy, ka hifantina izay teny hifandaharako aminy? Na hanana ny marina aza aho tsy hahavaly akory, ny hangataka ny famindram-pon'izy mpitsara ahy no hataoko. Na ho nanaiky ny fitarainako aza izy, dia tsy hoheveriko ho nihaino ny feoko,
Salamo
Salamo 88(87),10bc-11.12-13.14-15.
Mihalevona azon'ny fijaliana ny masoko. Miantso anao tontolo andro aho, ry Tompo o, manandra-tanana aminao aho. Mihalevona azon'ny fijaliana ny masoko. Miantso anao tontolo andro aho, ry Tompo o, manandra-tanana aminao aho. Ny maty va no hanaovanao fahagagana; sa ny ambiroa no hitsangan-kidera anao? - Selà. Hotorina any am-pasana va ny hatsaram-ponao, ary any amin'ny hantsana, ny fahamarinanao? Ho fantatra any amin'ny tanin'ny aizina va ny fahagaganao, ary any amin'ny tany fanadinoana, ny fahamarinanao? Indro aho mitaraina aminao, ry Iaveh ô. Vao maraina dia efa miroso ho eo anatrehanao ny fivavahako. Ry Iaveh ô, nahoana no manary ny fanahiko hianao, sy manafina ny tavanao amiko?
Evanjely
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 9,57-62.
Raha mbola teny an-dàlana izy ireo, dia nisy olona anankiray nilaza taminy hoe: Hanaraka anao aho, na aiza na aiza halehanao. Fa hoy Jesoa taminy: Ny amboadia manan-davaka, ary ny voro-manidina manana akany; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany. Ary hoy izy tamin'ny anankiray hafa: Manaraha ahy. Dia izao no navalin'io: Aoka aloha, Tompoko, handevina ny raiko aho. Fa hoy Jesoa taminy : Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy, fa hianao kosa mandehana mitory ny fanjakan'Andriamanitra. Dia nisy iray hafa koa nanao taminy hoe: Hanaraka anao aho, Tompoko, fa aoka aloha hanao veloma ny ao an-tranoko aho. Fa hoy Jesoa taminy: Rahefa mety ho mpitana angadin'omby miherika, dia tsy sahaza ny fanjakan'Andriamanitra.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT
Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.
Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.