Fahatsiarovana ny Anjely Mpiambina
Vakiteny voalohany
Bokin'ny Eksaody 23,20-23.
Indro aho maniraka anjely eo alohanao, hiaro anao eny an-dàlana sy hahatonga anao any amin'ny toerana nomaniko. Mitandrema tena eo anatrehany ary henoy ny feony; aza manohitra azy, fa tsy hamela ny fandikanareo ny didiny izy, satria ny anarako no ao aminy. Fa raha mihaino ny feony kosa hianao, ka manao izay rehetra holazaiko, dia ho fahavalon'ny fahavalonao aho, sy ho rafin'ny rafinao. Fa handeha eo alohanao ny anjeliko hitondra anao ho any amin'ny Amoreana, ny Heteana, ny Ferezeana, ny Kananeana, ny Heveana ary ny Jeboseana, dia haringako ireny.
Salamo
Salamo 91(90),1-2.3-4.5-6.10-11.
Izay mialoka eo ambany fiarovan'ny Avo-Indrindra, miala sasatra eo amin'ny aloky ny Tsitoha. Hoy aho amin'ny Tompo: Hianao no trano mimandako sy fialofako. Andriamanitro izay itokiako. Fa izy no manafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza, sy ny pesta mandoza. Hanarona anao amin'ny elany izy, ary hahita fialofana ao ambany volon'elany, hianao. Ampinga sy fiarovan-tratra ny fahamarinany. Tsy misy hatahoranao, na ny fampitahorana amin'ny alina, na ny zana-tsipìka manidina amin'ny antoandro, na ny pesta misoko anatin'ny aizina, na ny areti-mifindra, mandripaka amin'ny mitatao vovonana. Ny fahoriana tsy hihatra aminao, tsy hisy loza hanakaiky izay lainao akory. Fa izy handidy ireo anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin'izay alehanao rehetra:
Evanjely
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Matio 18,1-5.10.
Tamin'izay, nanatona an'i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe: Iza moa no ambony indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra? Dia niantso zazalahy kely anankiray Jesoa ka napetrany teo afovoany, ary hoy izy: Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova hianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra akory. Koa amin'izany na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely izy, dia izy no lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra. Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin'ny anarako, dia mandray ahy koa. Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin'ireny madinika ireny aza; fa lazaiko aminareo fa ny anjelin'izy ireny any an-danitra dia mahita lalandava ny tarehin'ny Raiko izay any an-danitra.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT
Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.
Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.