Asabotsy Fahaenina amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Vakiteny voalohany
Bokin'i Joba 42,1-3.5-6.12-16.
Dia namaly an'ny Tompo Joba ka nanao hoe: Fantatro fa mahefa ny zavatra rehetra hianao, ka tsy misy hevitra sarotra ho anao. Iza moa izato manamaizina ny fandaharan'Andriamanitra tsy amim-pahalalana? Eny, niteny tsy amim-pahalalana tokoa aho, ny amin'ny zava-mahagaga tsy takatro aman-tsy fantatro! Ny sofiko taloha efa nandre filazana anao, fa ny masoko kosa ankehitriny efa nahita anao. Koa dia manameloka ny tenako aho, sy manenina eo amin'ny vovoka sy ny lavenona. Nambinin'ny Tompo mihoatra noho ny tamin'ny taloha ny andro niainan'i Joba taty aoriana, ka nanana ondry efatra arivo amby iray alina, rameva enina arivo, omby arivo tsiroaroa, ary ampondravavy arivo. Nanan-janaka fito lahy sy telo vavy izy: ny voalohany nataony hoe Jemima, ny faharoa Ketsia, ary fahatelo Keren-Happoka. Tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanakavavin'i Joba ireo tamin'ny tany rehetra; nomen-drainy anjara lova eo amin'ireo anadahiny izy. Velona efapolo amby zato taona Joba taorian'izany; ka nahita ny zanany lahy sy ny zanakalahin'ny zanany lahy hatramin'ny taranaka fahefatra.
Salamo
Salamo 119(118),66.71.75.91.125.130.
Ampianaro ny fahalalana marina amam-pahafantarana aho; fa matoky ny didinao. Soa ho ahy ny naetry mba hianarako ny didinao. Fantatro, ry Iaveh, fa marina ny fitsaranao; tamin'ny fahamarinanao no nanetrenao ahy. Araka ny lalànao no mbola aharetan'ny zavatra rehetra mandraka androany; fa manaiky ny fandaharanao ny zavatra rehetra. Mpanomponao aho, ka omeo fahazavan-tsaina, mba hahalalako ny fampianaranao. Mahazava, ny famelarana ny teninao; ka mampahazo saina ny olona tsotra.
Evanjely
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 10,17-24.
Ary niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny anaranao. Dia hoy Jesoa taminy: Nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra aho. Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin'ny hery rehetra ananan'ny fahavalo hianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny. Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio. Tamin'izay nientan-kafaliana tamin'ny Fanahy Masina izy ka nanao hoe: Misaotra anao aho, ry Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, noho hianao nanafina izany tamin'ny mahay sy ny hendry, fa nanambara azy tamin'ny zaza madinika kosa. Eny, Raiko, fa izany no sitra-ponao. Efa nomen'ny Raiko ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanambarana azy. Dia nitodika tamin'ny mpianany izy ka nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo; fa lazaiko aminareo fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary handre izay renareo, fa tsy nandre.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT
Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.
Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.