Alahady Fahafito amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Vakiteny voalohany
Bokin'Izaia 5,1-7.
Andeha hihira ho an'ny malalako aho, ilay hiran'ny malalako, ny amin'ny tanim-boalobony. Ny malalako dia nanan-tanimboaloboka, teo amin'ny tanety mahavokatra. Ka nasainy ny tany, nesoriny ny vato taminy; ary namboly karazam-boaloboka teo izy. Nanorina tilikambo teo afovoany izy, ary nandavaka famiazam-boaloboka koa. Nampoiziny hamoa voaloboka tsara izy, kanjo divay marikivy no vokany. Ary izao kosa, ry mponina ao Jerosalema, sy olona any Jodà, masìna hianareo, tsarao aho, sy ny tanim-boaloboko! Inona moa no mbola tokony ho natao tamin'ny tanim-boaloboko, ka tsy nataoko taminy? Nahoana no voaloboka no nantenaiko ho voany, kanjo tsy namoa afa-tsy divay marikivy izy? Koa ankehitriny haposako aminareo, izay hataoko amin'ny tanim-boaloboko: hongotako ny fefiny, dia horaotina izy; harodako ny tambohony, dia ho voahosihosy izy. Hataoko tany foana izy; ka tsy hohetezana na hasaina intsony; fa hanirian'ny hery aman-tsilo; ary handidy ny rahona aho, tsy handatsaka orana aminy intsony. Fa ny taranak'Israely, no tanim-boalobok'Iavehn'ny tafika, ary ny olona any Jodà, no voly nolalainy; hitsiny no nantenainy taminy, kanjo ra latsaka no niseho; ny fahamarinana no nantenainy, kanjo fitarainam-pahoriana no hita.
Salamo
Salamo 80(79),9.12.13-14.15-16.19-20.
Misy voaloboka nongotanao tany Ejipta; nandroaka ny firenena hianao, hambolenao azy. nisandrahaka hatrany amin'ny Ranomasina ny rantsany, ary hatrany amin'ny Ony ny sakeliny. Nahoana no dia noravanao ny fefiny, ka izay mandalo rehetra, manimba azy avokoa? Ny lambo avy any an'ala mandrapaka azy; ary ny biby any an-tsaha manao azy ho fihinany. Ry Andriamanitry ny tafika, miverena, mitsinjova eny an-danitra, ary jereo, ka diniho ity voaloboka! Arovy izay nambolen'ny tànanao ankavanana, sy ny zanaka izay nofidinao ho anao!... Dia tsy hanohitra anao intsony izahay; velomy indray izahay, dia hiantso ny anaranao. Ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika, ampodio amin'ny toetranay taloha izahay, ampamirapirato aminay ny tavanao, dia ho voavonjy izahay.
Vakiteny faharoa
Taratasin'i Md. Paoly Apostoly ho an'ny Filipiana 4,6-9.
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an'Andriamanitra, amin'ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin'inona na amin'inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin'ny Kristy Jesoa anie ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra. Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rahefa mety ho hatsaram-panahy, sy rahefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany. Araho avokoa izay efa nianaranareo, sy noraisinareo ary renareo sy hitanareo tamiko, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
Evanjely
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Matio 21,33-43.
Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano anankiray namboly voaloboka; namefy azy manodidina izy, sy nandavaka tany hanaovana famiazana teo, ary nanao tilikambo; dia nahofany tamin'ny mpiasa izany, ka lasa nandeha lavitra izy. Nony tonga ny taom-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin'ireo mpiasa ny ankizilahiny, handray ny vokatry ny tanim-boalobony; fa nosamborin'ireo mpiasa ny ankizilahiny, ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato. Dia naniraka ankizilahy maromaro kokoa noho ny taloha indray izy, fa nataony toraka izany ihany koa. Nony farany dia ny zanany lahy no nirahiny ho any aminy, fa hanaja ny zanako izy, hoy izy. Kanjo nony hitan'ireo mpiasa ilay zanany lahy, dia nifampilaza izy ireo hoe: Ity ny mpandova; andeha hovonointsika ity, dia ho lasantsika ny lovany, Dia nosamboriny izy ka nentiny tany ivelan'ny tanim-boaloboka, ary novonoiny. Koa rahefa tonga ilay tompon'ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa izany? Haringany tsy hananany antra akory izany mpiasa ratsy fanahy izany, hoy ireo taminy, ary ny tanim-boalobony dia hahofany amin'ny mpiasa hafa, izay hanome ny vokatry ny tany amin'ny fotoany. Dia hoy Jesoa taminy: Tsy mba novakinareo va ny Soratra Masina hoe: Ny vato narian'ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro; avy tamin'ny Tompo izany, ka mahagaga eo imasontsika? Noho izany dia lazaiko aminareo, fa hesorina aminareo ny fanjakan'Andriamanitra, ka hafindra amin'ny firenena hampahavokatra azy.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT
Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.
Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.