Alatsinainy Fahafito amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Vakiteny voalohany
Taratasin'i Md. Paoly ho an'ny Galata 1,6-12.
Gaga aho raha dia mivadika faingana toy izao hianareo, ka ilay niantso anareo ho amin'ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy dia ialanareo hanatona Evanjely hafa indray. Tsy dia hoe misy Evanjely hafa akory anie, fa ny Evanjelin'ny Kristy ihany no tadiavin'ny sasany hovana, mba hampitabataba anareo fotsiny! Fa na ny tenanay, na anjely avy any an-danitra aza, ka mitory Evanjely hafa noho izay efa notorinay taminareo, dia aoka ho voaozona izy. Efa voalazanay taloha izany, sady mbola averiko indray ankehitriny, fa raha misy olona mitory aminareo Evanjely hafa noho izay noraisinareo, dia aoka ho voaozona izy. Ary ankehitriny, olombelona ve no ilàko sitraka sa Andriamanitra? Moa ny hamalifaly ny olombelona va no kendreko? Raha mbola mila sitraka amin'olombelona koa aho, dia tsy mpanompon'ny Kristy akory. Ampafantariko anareo, ry rahalahy, fa ny Evanjely izay notoriko taminareo, dia tsy mba avy amin'olombelona; fa tsy tamin'olombelona no nandraisako na nianarako azy, fa tamin'ny fanambaran'i Jesoa-Kristy.
Salamo
Salamo 111(110),1-2.7-8.9.10c.
ALEPH Sitrako ny midera an'ny Tompo amin'ny foko rehetra, BETH eo amin'ny fivorian'ny olo-marina sy ao amin'ny fiangonana. GHIMEL Lehibe ny asan'ny Tompo; DALETH katsahin'ny olona izy noho ny hamamiana rehetra avy aminy. MEM Rariny amam-pahamarinana ny asan'ny tanany, NUN tsy mety miova ny didiny rehetra. SAMECH Voaorina mafy ho mandrakizay ireny, AIN fa natao tamim-pahamarinana amam-pahitsiana. PHE Nanatitra ny famonjena ho an'ny vahoakany izy, TSADE ary nanorina ny fanekeny ho mandrakizay. QOPH Masina sy mahatahotra ny anarany. RESCH Ny fahatahoran'ny Tompo no fiandohan'ny fahendrena, SCHIN manan-tsaina tokoa izay mitandrina ny didiny. THAV Maharitra mandrakizay ny fiderana azy.
Evanjely
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 10,25-37.
Ary indro mpampiana-dalàna anankiray nitsangana haka fanahy azy ka nanao hoe: Tompo ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay? Dia hoy Jesoa taminy: Inona no voasoratra ao amin'ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy? Ary namaly izy ka nanao hoe: Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, sy ny herinao rehetra, ary ny sainao rehetra, ary ny namanao tahaka ny tenanao. Dia hoy Jesoa taminy: Marina ny navalinao, manaova izany dia ho velona hianao. Fa nitady hanamarin-tena ralehilahy ka nanao tamin'i Jesoa hoe: Iza àry no namako? Ary hoy Jesoa taminy: Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikao, azon'ny jiolahy, ka nendahany ny lambany, nokapohiny ny tenany ary saika maty vao navelany. Dia nisy kosa mpisorona anankiray nidina tamin'izany làlana izany ka nahita azy, nefa nandalo ihany. Toy izany koa ity levita anankiray izay tonga teo, nahita azy, nefa nandalo ihany. Fa nisy kosa Samaritana anankiray nivahiny tonga teo aminy, ka nangoraka nony nahita azy. Nanatona azy izy, dia namehy ny feriny ary nanisy diloilo sy divay azy, vao nampitaingina azy ny soavaliny, sy nitondra azy tany an-tranom-bahiny ka nitsabo azy. Nony ampitso, dia naka denie roa izy ka nomeny ny tompon-trano, ary nataony hoe: Tsaboy izy, ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireny, dia honerako rahefa miverina aho. Iza amin'izy telo lahy no ataonao ho naman'ilay azon'ny jiolahy? Dia hoy ilay mpampiana-dalàna: Ilay niantra azy. Mandehana àry, hoy Jesoa taminy, ka manaova toy izany koa.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT
Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.
Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.