LC
Lectio Contexta

Vakiteny sy fandinihana isan’andro

Misy ihany koa amin'ny fiteny 11.

Asabotsy Faharaika amby telopolo tsotra Mandavan-taona

Vakiteny voalohany

Taratasin'i Md. Paoly Apostoly ho an'ny Filipiana 4,10-19.

Nahazo hafaliana lehibe ao amin'ny Tompo aho, fa indro hitako mamony indray izao ny fitsinjovanareo ahy; tao aminareo mandrakariva izany, saingy ny zavatra hohararaotinareo no tsy mbola nisy.
Tsy dia filan-javatra anefa no ilazako izany, fa efa nianatra ny ho afa-po amin'izay ananako aho,
ka haiko ny mihafy, haiko ny manam-be. Efa nianatra ny ho voky sy ny ho noana aho, ary ny hanam-be sy ny tsy hanana na inona na inona, na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona.
Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin' ilay mankahery ahy;
nefa tsara ny nataonareo niombom-pahoriana tamiko.
Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin'ny niandohan'ny Evanjely, rahefa niala tany Masedonia aho, dia tsy nisy Eglizy nifanao kaontin'ny miditra sy mivoaka tamiko, afa-tsy hianareo ihany.
Fony aho tany Tesalonìka aza, dia nampanateranareo fanampiana indray mandeha aloha, dia nisy fanindroany koa.
Tsy mitady ny homena indray aho, fa ny vokatra miavosa soratana ho anareo no tadiaviko.
Efa miadana aho izao, ary manana ny ampy sy feno mihitsy, nahazo ny zavatra nampanaterinareo an'i Epafrodita, izay toy ny zava-mani-pofona sy fanatitra ankasitrahan'Andriamanitra, raisiny an-kafaliana.
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin'ny Kristy Jesoa izany.

Salamo

Salamo 112(111),1-2.5-6.8a.9.

ALEPH Sambatra ny olona matahotra an'ny Tompo, BETH izay mametraka ny hafaliany rehetra, amin'ny fitandremana ny didiny.
GHIMEL Hahery ambonin'ny tany ny taranany; DALETH hambinina ny taranaky ny marina.
TETH Sambatra ny olona manao famindram-po sy mampisambotra; YOD hahery an'ady izy, eo amin'ny fitsarana.
KAPH Fa tsy mba hangozohozo na oviana na oviana izy, LAMED hamela fahatsiarovana mandrakizay ny marina.
SAMECH tsy nety nihozongozona ny fony, tsy matahotra izy AIN mandra-pahitany ny fahavalony hoe resy.
PHE Mamafy fiantrana izy, manome ny mahantra. TSADE maharitra mandrakizay ny fahamarinany; KOPH misandratra amim-boninahitra ny tandrony.

Evanjely

Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 16,9-15.

Ka hoy aho aminareo: Aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo sakaiza, mba handraisany anareo any amin'ny tranolay mandrakizay raha avy izay haharerahanareo.
Izay mahatoky amin'ny kely, dia mahatoky koa amin'ny lehibe, ary izay tsy marina amin'ny kely, dia tsy marina koa amin'ny lehibe.
Koa raha tsy mahatoky amin'ny harena tsy marina hianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina?
Ary raha tsy mahatoky amin'izay anareo hianareo, iza no hanome anareo izay anareo?
Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy ny harena hianareo.
Ny Farisiana izay fatra-pitia vola dia mba nihaino izany rehetra izany koa, ka dia naneso azy.
Fa hoy izy tamin'izy ireo: Hianareo dia mpanamarin-tena eo imason'ny olona, nefa fantatr'Andriamanitra ihany ny fonareo, ary izay ambony eo imason'ny olombelona dia fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra kosa.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT

Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.

Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.