LC
Lectio Contexta

Vakiteny sy fandinihana isan’andro

Misy ihany koa amin'ny fiteny 11.

Alahady Faharoa amby telopolo tsotra Mandavan-taona

Vakiteny voalohany

Bokin'ny Fahendrena 6,12-16.

Ny fahendrena dia mamirapiratra, tsy mety matroka hatsarana; mora mahita azy ny olona raha tia azy izy, ary mora mahazo azy raha mitady.
Mitsena an'izay mitady azy izy, ary miseho aminy voalohany.
Izay mifoha maraina koa hitady azy, tsy mananosarotra, fa mahita azy mipetraka eo am-baravarany.
Satria ny mihevitra azy dia efa fahamalinana lavorary, ary ny miari-tory noho ny aminy, dia ho afak'ahiahy vetivety;
mandeha mivezivezy atsy amin'ary izy, mitady an'izay mendrika azy, miseho amin'ireny eny an-dalan'izy ireo izy amim-pihavanana, ary manampy azy amin'ny hevitra kasainy rehetra.

Salamo

Salamo 63(62),2.3-4.5-6.7-8.

Ry Andriamanitra ô, Andriamanitro hianao, mitady anao aho hatramin'ny vao maraina; mangetaheta anao ny fanahiko, manina anao ny nofoko, ao amin'ny tany maina mangentana tsy misy rano.
Toy izany no nibanjinako anao tao amin'ny fitoerana masina, mba hahitako ny herinao amam-boninahitrao.
Fa tsara lavitra noho ny aina ny fahasoavanao, ka aoka hiventy fankalazana anao ny molotro.
Dia hidera anao amin'ny andro rehetra iainako aho, hanandra-tànana amin'ny anaranao.

Toy ny voky tsoka sy ny matavy no ahavokisan'ny fanahiko, ka midera anao ny vavako, amin'ny molotro falifaly.
Raha mieritreritra anao eo am-pandriako aho, dia any aminao ihany ny saiko mandritra ny fiambenan'alina.
Fa hianao no vonjiko, ary eo ambanin'ny aloky ny elatrao no iravoravoako.

Vakiteny faharoa

Taratasy Voalohan'i Md. Paoly ho an'ny Tesalonisiana 4,13-18.

Ary tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin'izay efa nody mandry, sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa hianareo.
Fa araka ny inoantsika an'i Jesoa ho efa maty sy nitsangana tamin'ny maty no hitondran'Andriamanitra an'izay nody mandry hiaraka aminy koa, amin'ny alalan'i Jesoa.
Ka izao no lazainay aminareo, araka ny tenin'ny Tompo: Isika izay velona sy tavela ho amin'ny fihavian'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nody mandry tsy akory;
fa hisy baiko homena, sy feon'arkanjely, ary feon-trompetr'Andriamanitra, dia hidina avy any an-danitra ny tenan'izy Tompo, ka izay maty tao amin'ny Kristy no hitsangana aloha;
rahefa izany, hakarina hiaraka amin'izy ireo eny amin'ny rahona koa isika velona sisa tavela, hitsena ny Tompo eny amin'ny habakabaka, dia ho any amin'ny Tompo mandrakizay isika.
Koa izany teny izany àry no aoka hifanalanareo alahelo.

Evanjely

Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Matio 25,1-13.

Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra, dia ho tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany, ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.
Ny dimy tamin'izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry;
ny dimy adala nitondra fanala, fa tsy nitondra solika;
fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin'ny fitoeran-tsolika.
Ary noho ny fahelan'ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory.
Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe: Inty tamy ny mpampakatra, mandehana mitsena azy hianareo.
Tamin'izay dia niarina ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboatra ny jirony.
Ary hoy ny adala tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny jironay.
Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo, hoy ny navalin'ny hendry azy; fa aleo mankany amin'ny mpivarotra hianareo, ka mividiana ho anareo.
Ary raha mbola nandeha nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, dia nohidiana ny varavarana.
Nony afaka kelikely, dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe: Tompoko, tompoko, vohay izahay.
Fa hoy ny navaliny azy: Lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro akory hianareo.
Koa miambena hianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT

Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.

Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.