Fankalazana ny Nanokanana ny Bazilikan'i Latran
Vakiteny voalohany
Bokin'i Ezekiela 47,1-2.8-9.12.
Nentiny niverina ho eo amin'ny varavaran'ny trano indray aho. Ary indro nisy rano nivoaka avy ao ambanin'ny tokonan'ny trano, amin'ny lafiny atsinanana, fa nitodika niatsinanana ny anoloan'ny trano; ka nidina ny rano avy ao ambanin'ny lafitrano ankavanana tao atsimon'ny otely. Nentiny nivoaka tamin'ny alo-baravarana avaratra aho, dia nasainy nanodidina eo ivelany aho mandra-pahatonga eo amin'ny alo-baravarana ivelany mitodika miatsinanana; ka indro ny rano nandeha tamin'ny lafiny ankavanana. Hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mandeha mankany amin'ny faritany atsinanana; hidina ho any amin'ny tany lemaka vao hiditra ho ao amin'ny ranomasina; hoentina mankany amin'ny ranomasina izy, dia ho tonga mahasalama ny rano. Ny zava-manan'aina mihetsiketsika any amin'izay halehan'ny ony roa na aiza na aiza, ho velona avokoa, ka ho be dia be ny hazandrano; satria raha vao tonga any ity rano ity dia ho tonga mahasalama ny ranomasina, ary hahavelona avokoa izay halehan'ny ony maria. Eo akaikin'ny ony, amin'ny morony andaniny avy, hisy hazo mamoa isan-karazany haniry, ka ny raviny tsy mba halazo, ary ny voany tsy mba hitsahatra. Hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria hivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ny voany ho fihinana tsara, ary ny raviny ho fanasitranana tsara.
Salamo
Salamo 46(45),2-3.5-6.8-9.
Andriamanitra no arontsika sy herintsika, famonjena azo mandrakariva amin'ny fahoriana. Noho izany, tsy manan-tahotra isika, na hikoro aza ny tany, na hietry any ambany ranomasina aza ny tendrombohitra, Misy ony ka ny fandehany mampifaly ny tanànan'Andriamanitra; ny fonenana masina onenan'ny Avo indrindra. Andriamanitra no ao afovoany, ka tsy azo hozongozonina izy; vao mazava atsinanana ny andro dia tonga hamonjy azy Andriamanitra. Ny Tompon'ny tafika momba antsika; ny Andriamanitr'i Jakoba no trano mimanda ho antsika. Avia, jereo ny asan'ny Tompo, dia ny fandravana nataony tety an-tany!
Evanjely
Evanjely Masin'i Jesoa kristy Nosoratan'i Md. Joany 2,13-22.
Ary akaiky ny Pakan'ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema Jesoa. Hitany tao anatin'ny tempoly ny mpivarotra omby aman'ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola nipetraka tao, ka nanao kotopia tamin'ny tady madinika izy, dia nandroaka azy rehetra mbamin'ny omby aman'ondry hiala amin'ny tempoly; nararany ny volan'ny mpanakalo vola, nazerany ny latabatra, ary hoy izy tamin'izay nivaro-boromailala: Esory eto ireo, fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon'ny Raiko. Dia tsaroan'ny mpianany fa efa voasoratra hoe: Ny fitiavako ny tranonao no maharitra ny aiko. Fa niteny kosa ny Jody ka nanao hoe: Inona no famantarana asehonao aminay no manao toy izao hianao? Dia namaly azy Jesoa nanao hoe: Ravao ity tempoly ity, fa hatsangako indray amin'ny hateloana. Ka hoy ny Jody: Enina amby efa-polo taona no nanaovana ity tempoly ity, ka hianao ve dia hanangana azy indray amin'ny hateloana e? Ny vatany anefa no tempoly nolazainy. Ary nony tafatsangana tamin'ny maty izy, dia tsaroan'ny mpianany fa voalazany izany, ka nino ny Soratra Masina sy ny teny voalazan'i Jesoa izy ireo.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT
Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.
Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.