LC
Lectio Contexta

Vakiteny sy fandinihana isan’andro

Misy ihany koa amin'ny fiteny 11.

Talata Faharoa amby telopolo tsotra Mandavan-taona

Vakiteny voalohany

Taratasin'i Md. Paoly Apostoly ho an'i Tito 2,1-8.11-14.

Fa hianao kosa, milazà izay mety araka ny fampianarana marina;
amin'ny lehilahy lehibe, mba hahalala onony, mendrika, malina, mijoro tsara amin'ny finoana sy amin'ny fitiavana ary amin'ny fandeferana;
amin'ny vehivavy lehibe kosa, mba hiseho maotona sy masina, tsy mpanendrikendrika, tsy andevozin'ny divay be, fa mpampianatra ny zavatra tsara,
mba ho afa-manoro ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny aman-janany,
hahonon-tena, ho madio fitondran-tena, hikarakara ny tokan-tranony, halemy fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin'Andriamanitra.
Amporisiho toy izany koa ny tovolahy mba ho hendry,
ka ny tenanao no misehoa ho fakan-tahaka ny asa tsara rehetra amin'ny zavatra rehetra; aoka ny fampianaranao ho madio, maotona,
marina, ary tsy manan-tsiny, mba ho menatra ny mpanohitra antsika, fa tsy hahita kilema hanesoana antsika.
Fa efa niseho ny fahasoavan'Andriamanitra, loharanom-pamonjena ho an'ny olona rehetra,
mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao, fa ho velona amin'ity fiainana ity manana ny toetr'olona mahalala onony, marina, tia vavaka,
miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia Jesoa-Kristy,
izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an'ny tenany ny vahoaka izay ho azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra.

Salamo

Salamo 37(36),3-4.18.23.27.29.

Matokia an'ny Tompo, ary manaova soa; 
monena amin'ny tany ary manarana fo amin'ny fahatokiany.
Iaveh no ataovy firavoravoanao, 
dia omeny anao izay irin'ny fonao.

Fantatry ny Tompo ny andron'ny marina; 
ary ny lovany haharitra mandrakizay.
Iaveh no mahamafy ny dian'ny olo-marina; 
ary mankasitraka ny làlany.

Halaviro ny ratsy ary manaova ny tsara, 
dia mitoera mandrakizay ao am-ponenanao.
Hanana ny tany ny olo-marina, 
dia honina eo mandrakizay.

Evanjely

Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 17,7-10.

Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany na miandry ondry avy any an-tsaha no mba hilaza aminy hoe: Metia faingana, ary mipetraha hihinana.
Moa tsy izao aza no holazainy aminy: Amboary ny sakafoko, ary misikìna hampihinana ahy mandra-pitsahatro avy mihinana sy misotro, fa rahefa izany vao hihinana sy hisotro hianao?
Ary moa misaotra izany mpanompo izany akory va izy, satria nanao izay nasainy nataony io?
Ataoko fa tsy izany. Koa tahaka izany koa hianareo: rahefa vitanareo izay nandidiana anareo, dia lazao hoe: Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT

Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.

Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.