Alarobia Faharoa amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Vakiteny voalohany
Taratasin'i Md. Paoly Apostoly ho an'i Tito 3,1-7.
Ampahatsiarovy ny mpino fa adidin'izy ireo ny manaiky ny mpanapaka sy ny manam-pahefana, ka tsy maintsy manoa azy ireo izy sy vonon-kanao ny asa soa rehetra, tsy hilaza ratsy olona, tsy hifanditra, fa hifanaraka sy hampiseho halemem-panahy lehibe amin'ny olona rehetra. Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon'ny faniriana amam-pilan-dratsin'ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa. Saingy nony niseho ny famindram-po amam-pitiavan'Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona, dia tsy noho ny asan'ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony; izy no namonjy antsika tamin'ny fanasàna nahaterahantsika indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina, izay nampidininy be dia be tamintsika tamin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Mpamonjy antsika; mba hohamarinin'ny fahasoavana isika ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.
Salamo
Salamo 23(22),1-3a.3b-4.5.6.
Iaveh no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho. Mampijanona ahy eo amin'ny vilona maitso izy, mitondra ahy ho eo amoron-drano mampangatsiatsiaka; mamelombelona ny fanahiko. Mitarika ahy amin'ny lala-mahitsy; noho ny anarany. Na mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, tsy misy loza atahorako fa hianao no eo amiko; ny tsora-kazo aman-tehinao no mahafa-tahotra ahy. Mamelatra latabatra eo anoloako, eo imason'ny fahavaloko hianao, manosotra diloilo ny lohako hianao, feno mitafotafo ny kapoakako. Eny fahasambarana amam-pahasoavana no homba ahy, amin'ny andro rehetra hiainako; dia hitoetra ao an-tranon'ny Tompo aho, mandritra ny andro lava.
Evanjely
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 17,11-19.
Nony nandeha ho any Jerosalema Jesoa, dia nanara-tsisina an'i Samaria sy Galilea. Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray izy, dia nifanena tamin'ny boka folo lahy izay nijanona teny lavidavitra eny. Dia niantso izy ireo ka nanao hoe: Ry Jesoa Mpampianatra ô! mamindrà fo aminay. Vantany vao nahita azy ireo izy dia nanao hoe: Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona; ka nony nandeha ho any izy ireo dia sitrana teny am-pandehanana. Ary ny anankiray tamin'ireny, rahefa nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery. Niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesoa izy, dia nisaotra azy; ary Samaritana izy io. Dia niteny Jesoa ka nanao hoe: Moa tsy folo lahy va no nadio? Ka nankaiza àry ny sivy? Ny vahiny indray ity no hàny niverina tamin'izy ireny mba hankalaza an'Andriamanitra? Dia hoy izy taminy: Mitsangàna, ary mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT
Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.
Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.