LC
Lectio Contexta

Vakiteny sy fandinihana isan’andro

Misy ihany koa amin'ny fiteny 11.

Alakamisy Faharoa amby telopolo tsotra Mandavan-taona

Vakiteny voalohany

Taratasin'i Md. Paoly Apostoly ho an'i Filémona 1,7-20.

Fa mameno hafaliana amam-panalana alahelo ahy ny fitiavanao, noho hianao efa namelombelona ny fon'ny olona masina, ry rahalahy.
Koa amin'izany, na dia azoko atao aza ny mandidy anao ao amin'ny Kristy amin'izay tokony hataonao,
dia aleoko miangavy aminao noho ny fitiavana. Hitanao izao Paoly efa antitra sady mpifatotr'i Jesoa-Kristy koa ankehitriny;
dia mifona aminao ho an'i Onesimo zanako naterako teto am-patorana,
izay tsy nahasoa anao loatra fahiny, fa mahasoa antsika tokoa ankehitriny, dia hianao sy izaho.
Ampodiko atý aminao izy, ilay sombin'ny aiko.
Nikasa hihazona azy taty amiko aho, mba hanompo ahy ho solonao, eto amin'ny fifatorako noho ny amin'ny Evanjely;
saingy naleoko tsy nanao na inona na inona raha tsy teny ierana aminao, mba tsy ho an-tery setra ny asa soanao, fa ho an-tsitra-po tokoa.
Angamba koa Onesimo no niala vetivety teto aminao, dia ny mba hanananao azy mandrakizay,
tsy toy ny mpanompo intsony, fa mihoatra noho ny mpanompo, dia tahaka ny rahalahy malala, ho ahy indrindra ary mainka fa ho anao, na araka ny nofo, na araka ny Tompo.
Koa raha ataonao ho namanao tokoa aho, dia raiso tahaka ny tenako izy;
ary raha nanao ny tsy marina taminao izy, na nitrosa taminao, dia ataovy ho trosako aminao izany.
Izaho Paoly no manoratra ity amin'ny tànako, izaho no hanefa izany, mba tsy hilazako aminao fa mpitrosako hianao, ary ahy mbamin'ny tenanao aza.
Eny, ry rahalahy, aoka hifaliako ao amin'ny Tompo hianao, ka velombelomy ao amin'ny Kristy ny foko.

Salamo

Salamo 146(145),7.8-9a.9bc-10.

Manome rariny an'izay ampahoriana, 
manome hanina an'izay noana; 
Iaveh manafaka an'izay voababo;

Iaveh mampihiratra ny jamba; 
Iaveh mampitraka ny mitanondrika; 
Iaveh tia ny marina;

Iaveh miaro ny mpivahiny;
manohana ny kamboty amam-pitondratena izy;
fa mampiolakolana ny làlan'ny ratsy fanahy kosa.

Mpanjaka mandrakizay Iaveh, 
Andriamanitrao amin'ny taona mifandimby izy, ry Siona. Aleloia!

Evanjely

Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 17,20-25.

Ary nanontanian'ny Farisiana izay andro hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra izy ka namaly hoe: Tsy mba manetriketrika fihavy ny fanjakan'Andriamanitra,
ary tsy hataon'ny olona hoe: Indro atý na arý izy; fa indro ao anatinareo ny fanjakan'Andriamanitra.
Dia hoy koa izy tamin'ny mpianany: Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin'ny andron'ny Zanak'olona, fa tsy hahita hianareo.
Hilazan'ny olona hianareo fa hoe: Indro erý, na indro etý; nefa aza mankany hianareo, na manaraka izany akory.
Fa tahaka ny fanjelatry ny helabaratra miserana ny faravodilanitra hatramin'ny lafiny iray ka hatrany amin'ny lafiny hafa, dia ho tahaka izany koa no fihavin'ny Zanak'olona amin'ny androny.
Fa tsy maintsy hijaly mafy aloha izy, sy holavin'ity taranaka ity.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT

Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.

Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.