Zoma Faharoa amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Vakiteny voalohany
Taratasy Faharoan'i Md. Joany 1,4-9.
Faly dia faly aho, fa nahita ny zanakao sasany mandeha amin'ny fahamarinana, araka ny didy noraisintsika tamin'ny Ray. Ary ankehitriny mihanta aminao aho, tompokovavy, - tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ny efa azontsika hatramin'ny voalohany ihany - aoka hifankatia isika. Ny fitiavana dia izao: ny mandeha araka ny didiny; ary ny didiny, araka ny renareo hatramin'ny voalohany, dia izao: ny mandeha amin'ny fitiavana. Fa maro no efa mitsangana ho mpamitaka amin'izao tontolo izao, izay tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesoa-Kristy; ireny no mpamitaka sy antikristy. Tandremo àry, mba tsy hanafoana ny fisasaranay, fa mba handray valisoa tanteraka hianareo. Izay rehetra tafahoatra fa tsy mitoetra amin'ny fampianaran'ny Kristy dia tsy manana an'Andriamanitra; fa izay mitoetra amin'ny fampianarana no manana ny Ray sy ny Zanaka.
Salamo
Salamo 119(118),1.2.10.11.17.18.
ALEPH Sambatra ny tsy manan-tsiny amin'ny lalany, izay mandeha araka ny lalan'ny Tompo. Sambatra izay mitana ny fampianarany; izay mitady azy amin'ny fony rehetra, Mitady anao amin'ny foko rehetra aho; aza avela hania lavitra ny didinao. Tehiriziko miafina ato am-poko ny teninao, mba tsy hanotako aminao. GHIMEL Anehoy hatsaram-po ny mpanomponao mba ho velona aho, ka hitandrina ny teninao. Sokafy ny masoko mba hahitako ny zava-mahagaga ao amin'ny lalànao.
Evanjely
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 17,26-37.
Ary toy ny niseho tamin'ny andron'i Noe no hiseho koa amin'ny andron'ny Zanak'olona: nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy, mandra-pahatongan'ny andro nidiran'i Noe tao amin'ny sambo fiara, dia tonga ny safo-drano ka nandringana azy rehetra. Ary koa tahaka ny tamin'ny andron'i Lota: nihinana sy nisotro ny olona, nividy sy nivarotra, ary namboly sy nanao trano; fa tamin'ny andro nivoahan'i Lota tao Sodoma kosa, nisy afo sy solifara avy any an-danitra nilatsaka nandringana azy rehetra. Dia ho tahaka izany koa amin'ny andro hisehoan'ny Zanak'olona. Amin'izany andro izany, izay any ambony tafon-trano aoka tsy hidina haka ny entany ao an-tranony; toy izany koa, izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka izay nilaozany. Tsarovy ny vadin'i Lota! Izay hitady hamonjy ny ainy, dia hahavery azy. Lazaiko aminareo fa amin'izany alina izany, amin'ny olona roa lahy miray fandriana, ny iray horaisina ary ny iray havela; amin'ny olona roa vavy miara-manodina fikosohan-dafarina, ny iray horaisina ary ny iray havela; ary amin'ny olona roa lahy izay eny an-tsaha, ny iray horaisina ary ny iray havela. Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: Ho aiza Tompoko? Ary hoy izy taminy: Amin'izay hitoeran'ny faty no hiangonan'ny voromahery.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT
Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.
Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.