LC
Lectio Contexta

Vakiteny sy fandinihana isan’andro

Misy ihany koa amin'ny fiteny 11.

Asabotsy Faharoa amby telopolo tsotra Mandavan-taona

Vakiteny voalohany

Taratasy Fahatelon'i Md. Joany 1,5-8.

Ry malala, tsara tokoa ny ataonao rehetra amin'ny rahalahy, fa indrindra amin'ireo vahiny;
ka nambaran'izy ireo teo anatrehan'ny Eglizy ny fitiavanao namana. Ary tsara raha mamatsy azy araka ny mendrika an'Andriamanitra hianao, amin'ny fandehanan'izy ireo;
fa ho voninahitry ny Anarany no nandehanan'izy ireo, ka tsy nandray na inona na inona tamin'ny jentily izy.
Tsy maintsy manohana ny olona toy ireny isika, mba ho mpiara-miasa aminy amin'ny fahamarinana.

Salamo

Salamo 112(111),1-2.3-4.5-6.

ALEPH Sambatra ny olona matahotra an'ny Tompo, BETH izay mametraka ny hafaliany rehetra, amin'ny fitandremana ny didiny.
GHIMEL Hahery ambonin'ny tany ny taranany; DALETH hambinina ny taranaky ny marina.
HE Fiadanana sy harena no ao an-tranony; VAV ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
ZAIN Fahazavana no miposaka ao amin'ny aizina ho an'ny olo-mahitsy. HETH ho an'izay mamindra fo sy miantra ary marina.
TETH Sambatra ny olona manao famindram-po sy mampisambotra; YOD hahery an'ady izy, eo amin'ny fitsarana.
KAPH Fa tsy mba hangozohozo na oviana na oviana izy, LAMED hamela fahatsiarovana mandrakizay ny marina.

Evanjely

Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 18,1-8.

Ary nanao fanoharana tamin'izy ireo koa izy, momba ny tsy maintsy ivavahana lalandava sy amim-paharetana.
Hoy izy: Tany amin'ny tanàna anankiray nisy mpitsara anankiray tsy natahotra an'Andriamanitra sy tsy mena-maso olona.
Ary tao amin'izany tanàna izany koa, dia nisy mpitondratena anankiray nankao aminy matetika nanao hoe: Omeo rariny aho amin'ilay miady amiko;
fa tsy nanaiky na oviana na oviana izy. Kanjo tamin'ny farany dia hoy izy anankampo: Na dia tsy matahotra an'Andriamanitra aza aho sy tsy mena-maso olona,
dia manahirana ahy ity mpitondratena ity, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina mandrakariva hanorisory ahy.
Ary henoy, hoy ny Tompo, izay lazain'ilay mpitsara tsy marina,
ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary tsy halaky hamonjy azy?
Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy ireo. Kanefa rahefa tonga ny Zanak'olona, moa mba hahita finoana etý ambonin'ny tany izy?
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT

Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.

Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.