LC
Lectio Contexta

Vakiteny sy fandinihana isan’andro

Misy ihany koa amin'ny fiteny 11.

Alahady Fahatelo amby telopolo tsotra Mandavan-taona

Vakiteny voalohany

Bokin'ny Ohabolana 31,10-13.19-20.30-31.

ALEPH Iza no mba mety mahita vehivavy mahery fo? mihoatra lavitra noho ny an'ny voahangy, ny tombany.
BETH Matoky azy, ny fon'ny lahy, ary tsy mba handao azy ny tombony miditra.
GHIMEL Soa no ataony aminy, fa tsy mba ratsy; amin'ny andro rehetra iainany.
DALETH Mamory ny volon'ondry aman-drongony izy, dia miasa an-kafaliana, amin'ny tanany.
YOD Mandray ny fihazonam-bohavoha ny tanany; ary mihazona ny ampela ny rantsan-tanany.
KAPH Manatso-tanana amin'ny ory izy; ary mamela-tanana amin'ny mahantra.
SCHIN Fitaka ny bika soa, zava-poana ny hatsaran-tarehy; fa ny vehivavy matahotra an'ny Tompo ihany no hoderaina.
THAV Aoka ny vokatra avy amin'ny tanany homena azy; ary aoka hitory fiderana eo am-bavahady ny asany.

Salamo

Salamo 128(127),1-2.3.4-5.

Fihirana fiakarana. Sambatra ny lehilahy matahotra an'ny Tompo, izay mandeha amin'ny làlany.
Mihinana ny asan-tànanao hianao amin'izany, ka dia sambatra sy voky soa.
Ny vadinao manahaka ny voaloboka mahavanom-boa, ao an-tokantranonao. Ny zanakao manahaka ny zanak'oliva manodidina ny latabatrao.
Toy izany no hitahiana ny lehilahy matahotra an'ny Tompo.

Iaveh anie hanambina anao, avy ao Siona! Enga anie ka hahita an'i Jerosalema miadana tsara hianao, amin'ny andro rehetra hiainanao!

Vakiteny faharoa

Taratasy Voalohan'i Md. Paoly ho an'ny Tesalonisiana 5,1-6.

Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy ilaina akory ny hanoratanay izany aminareo,
satria efa mahalala marina rahateo hianareo fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo.
Amin'ilay hanaovan'ny olona hoe: Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany! iny indrindra no hilatsahan'ny fandringanana tampoka amin'izy ireo, tahaka ny fihetsehan-jaza amin'ny bevohoka, ka tsy afa-mandositra izy.
Hianareo anefa, ry rahalahy, dia tsy mba ao amin'ny maizina, ka tsy mba hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany;
fa zanaky ny mazava avokoa hianareo, ary zanaky ny andro koa; tsy misy an'ny alina isika, na an'ny maizina akory.
Koa aza mba matory tahaka ny sasany isika, fa aoka hiari-tory sy hifady hanina.

Evanjely

Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Matio 25,14-30.

Fa Andriamanitra hanao tahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny, ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy.
Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray, samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy.
Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa.
Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa;
fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan'ny tompony.
Nony ela dia niverina ny tompon'ireo mpanompo ireo, ka nampamoaka azy ny amin'ny volany.
Dia nanatona ilay nandray talenta dimy, nitondra talenta dimy hafa koa ka nanao hoe: Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho.
Dia hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho hianao nahatoky tamin'ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be hianao: miaraha mifaly amin'ny tomponao.
Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa, dia nanao hoe: Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho.
Dia hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho hianao nahatoky tamin'ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be hianao: miaraha mifaly amin'ny tomponao.
Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray ka nanao hoe: Tompoko, fantatro fa olona lozabe hianao, fa mijinja amin'izay tsy namafazanao, ary manangona amin'izay tsy nanahafanao,
ka natahotra aho dia lasa naleviko tany anatin'ny tany ny talentanao: koa indro averiko aminao ny anao.
Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady kamo, fantatrao fa mijinja amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona amin'izay tsy nanahafako;
koa tokony ho napetrakao tany amin'ny mpampanana ny volako, ary rahefa tonga aho dia ho nandray ny ahy mban-janany.
Alao ary ny talenta folo;
fa izay manana no homena, ka hanam-be izy, fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin'izay ananany aza.
Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona dia ario any amin'ny maizina any: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT

Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.

Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.