Alatsinainy Fahatelo amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Vakiteny voalohany
Apokalipsa na Fanambarana Nosoratan'i Md Joany 1,1-4.2,1-5a.
Fanambaran'i Jesoa-Kristy, izay nomen'Andriamanitra azy, mba hanehoany amin'ireo mpanompony ny zavatra tsy maintsy ho tonga faingana sy nanirahany anjely hampahalalaina an'i Joany mpanompony; ka dia io no nanambara ny tenin'Andriamanitra sy ny filazan'i Jesoa-Kristy, araka ny zavatra rehetra hitany. Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoana. Mamangy ny Eglizy fito any Asia aho, Joany: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana, avy amin'ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; avy amin'ny Fanahy fito eo anoloan'ny seza fiandrianany; Manorata ho an'ny anjelin'ny Eglizin'i Efezy: Izao no lazain'ilay mitana ny kintana fito eo an-tànany an-kavanana, sy mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito: Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina ary ny fandeferanao, mbamin'ny tsy fahazakanao ny ratsy fanahy; fantatro fa nozahanao toetra ireo manao azy ho apostoly nefa tsy izy, ka hitanao fa mpandainga ireny; ary manana fandeferana hianao, ka niaritra noho ny anarako, ary tsy ketraka. Saingy izao no aniniako anao: nihemotra tamin'ny fitiavana voalohany hianao. Koa tsarovinao izay nihemoranao, dia mibebaha, ka miverena amin'ny asanao voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao aho, ka hanesotra ny fanaovan-jironao amin'ny fitoerany raha tsy mibebaka hianao.
Salamo
Salamo 1,1-2.3.4.6.
Sambatra ny olona tsy mandeha amin'ny fisainan'ny tsy mpivavaka, tsy mijanona amin'ny làlan'ny mpanota, ary tsy mipetraka miaraka amin'ny mpaniratsira; fa ny làlan'ny Tompo no ifaliany; sady saintsaininy andro aman'alina. Tahaka ny hazo nambolena eo amoron'ny rano velona izy, ka ny voany tonga amin'ny fotoany; ny raviny tsy mba malazo; ny ataony rehetra vanona avokoa. Tsy mba toy izany ny tsy mpivavaka: toy ny akofa faohin'ny rivotra izy, Satria ny làlan'ny marina fantatry ny Tompo fa ny làlan'ny mpanota mitarika ho amin'ny fahaverezana.
Evanjely
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 18,35-43.
Nony mby tao akaikin'i Jerikao izy, dia nisy kosa jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dàlana. Ary nony nandre ny vahoaka nandalo izy dia nanontany hoe inona izany? ka nilazana fa Jesoa avy any Nazareta no nandalo. Dia niantso izy nanao hoe: Ry Jesoa Zanak'i Davida ô! mamindrà fo amiko. Noraran'izay teo aloha izy mba hangina, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô! mamindrà fo amiko e! Dia nijanona Jesoa, ka nasainy hoentina mankeo aminy izy. Ary nony tonga teo akaikiny dia nanontaniany hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Mba hahiratra aho, Tompoko. Dia hoy Jesoa taminy: Mahiràta, ny finoanao no nahavonjy anao. Niaraka tamin'izay, dia nahiratra izy ka nanaraka azy sy nankalaza an'Andriamanitra. Ary ny vahoaka rehetra nahita izany koa nidera an'Andriamanitra.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT
Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.
Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.