LC
Lectio Contexta

Vakiteny sy fandinihana isan’andro

Misy ihany koa amin'ny fiteny 11.

Talata Fahatelo amby telopolo tsotra Mandavan-taona

Vakiteny voalohany

Apokalipsa na Fanambarana Nosoratan'i Md Joany 3,1-6.14-22.

Manorata koa ho an'ny anjelin'ny Eglizin'i Sarda: Izao no lazain'ilay manana ny Fanahy fiton'Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao; malaza hoe velona hianao, nefa maty.
Miambena, ary hamafiso ny sisa efa ho faty. Hitako fa tsy lavorary eo anatrehan'Andriamanitra ny asanao.
Koa tsarovy ny fampianarana noraisinao sy nohenoinao, dia tano izany, ka mibebaha. Fa raha tsy miambina hianao, dia ho avy ao aminao toy ny mpangalatra aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako ao aminao.
Misy olona vitsy tsy nandoto ny fitafiany anefa aty aminao aty Sarda, ka ireo dia hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy, satria mendrika.
Izay handresy dia hampitafina lamba fotsy toy izany koa; ary tsy hamono ny anarany ao amin'ny bokin'ny fiainana aho, fa hankalaza ny anarany eo anatrehan'ny Raiko, sy eo anatrehan'ny anjeliny.
Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain'ny Fanahy amin'ny Eglizy.
Manorata koa ho an'ny anjelin'ny Eglizin'i Laodisea: Izao no lazain'ny Amena, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Fototry ny zava-boarin'Andriamanitra.
Fantatro ny asanao: tsy mangatsiaka na mafana hianao: nefa aleo mangatsiaka na mafana hianao;
fa noho hianao matimaty, na hoe tsy mangatsiaka tsy mafana, dia efa haloan'ny vavako hianao.
Hianao mihambo hoe: mpanan-karena aho, nahazo fananam-be, tsy manan-java-mahory aho; kanjo tsy fantatrao, fa hianao dia olona ory, fadiranovana, mahantra, jamba, ary mitanjaka aza.
Koa manoro hevitra anao aho mba hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, dia hanan-karena hianao; sy fitafiana fotsy hitafianao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahanao; ary ody maso hahosotrao ny masonao, dia hahiratra hianao.
Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; mazotoa àry, ka mibebaha.
Indro, mitsangana eo am-baravarana aho, sady mandondòna; ka raha misy mihaino ny feoko, sy mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.
Izay handresy dia hasaiko miara-mipetraka amiko eo amin'ny seza fiandrianako; toa ahy nandresy koa, ka miara-mipetraka amin'ny Raiko, eo amin'ny seza fiandrianany.
Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain'ny Fanahy amin'ny Eglizy.

Salamo

Salamo 15(14),2-3ab.3cd-4ab.5.

Izay mandeha amin'ny tsy fananan-tsiny, izay manaraka ny rariny, ka milaza ny marina ao am-pony.
Tsy manendrikendrika amin'ny lelany izy, tsy manisy ratsy ny rahalahiny, tsy manala baraka ny namany.
Tsy manendrikendrika amin'ny lelany izy, tsy manisy ratsy ny rahalahiny, tsy manala baraka ny namany.
Tsy manendrikendrika amin'ny lelany izy, tsy manisy ratsy ny rahalahiny, tsy manala baraka ny namany.

Tsy manendrikendrika amin'ny lelany izy, tsy manisy ratsy ny rahalahiny, tsy manala baraka ny namany.
Ny voaheloka no mendrika halam-baraka eo imasony; fa ny matahotra an'ny Tompo kosa omeny voninahitra. Raha nanao fianianana mamono antoka azy izy, tsy ivadihany izany.
Ny voaheloka no mendrika halam-baraka eo imasony; fa ny matahotra an'ny Tompo kosa omeny voninahitra. Raha nanao fianianana mamono antoka azy izy, tsy ivadihany izany.
Tsy mampihana vola manao zana-bola be loatra na mandray kolikoly hamely ny tsy manan-tsiny. Tsy hangozohozo mandrakizay izay mitondra tena arak'izany.

Evanjely

Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 19,1-10.

Nony niditra tao Jerikao Jesoa, dia namaky ny tanàna.
Ary indro nisy lehilahy anankiray atao hoe Zake, lehiben'ny poblikàna sady mpanan-karena,
nitady hahita an'i Jesoa mba hahalala azy, fa tsy afaka noho ny habetsahan'ny olona satria fohy izy.
Koa nihazakazaka nialoha izy, dia nianika amontana anankiray hitazana azy, fa eo no handalovany.
Nony mby teo Jesoa dia niandrandra ka nahita azy, ary nanao taminy hoe: Ry Zake, midìna haingana, fa tsy maintsy hiantrano ao aminao aho anio.
Dia nidina haingana izy ka nandray azy tamin-kafaliana.
Ary nony nahita izany ny olona, dia nimonomonona nanao hoe: Lasa niditra any an-tranon'ny mpanota izy.
Fa Zake kosa nijoro nanao tamin'ny Tompo hoe: Tompoko, indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra, ary raha misy zavatr'olona nalaiko tsy an-drariny dia honerako inefatra hoatra azy.
Dia hoy Jesoa taminy: Tonga amin'ity trano ity androany ny famonjena, satria zanak'i Abrahama koa ity lehilahy ity,
fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan'ny Zanak'olona.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT

Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.

Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.