Alarobia Fahatelo amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Vakiteny voalohany
Apokalipsa na Fanambarana Nosoratan'i Md Joany 4,1-11.
Taorian'izany, dia hitako fa indro nisy varavarana mivoha teny an-danitra; ary ilay feo voalohany efa reko, toy ny an'ny trompetra, dia niteny tamiko hoe: Miakara aty, dia hasehoko anao ny zavatra tsy maintsy ho avy any aoriana any. Niaraka tamin'izay, dia voatsindrin'ny Fanahy aho, ka indro nisy seza fiandrianana niarina tany an-danitra, ary nisy nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana. Toy ny vato jaspa sy sardoana ny tarehin'ilay nipetraka; ary voahodidina avana miendrik'emeraoda ny seza fiandrianana. Nisy seza fiandrianana efatra amby roapolo nanodidina ilay seza fiandrianana anankiray, ka Anti-dahy efatra amby roapolo koa no nipetraka tambonin'ireo; fitafiana fotsy no nentiny, ary satro-boninahitra volamena no teny an-dohany. Helatra sy feo aman-kotroka no nivoaka tamin'ilay seza fiandrianana, ary fanaovan-jiro fito mirehitra no teo anoloany, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra izany. Nisy toa ranomasina fitaratra miendri-kristaly teo anoloan'ilay seza fiandrianana, ary Zava-manana aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy an-damosiny no teo afovoany sy nanodidina azy. Ilay Zava-manana aina voalohany moa toy ny liona, ny faharoa tahaka ny zanak'omby, ny fahatelo nanan-tava toy ny an'ny olona, ary ny fahefatra sahala amin'ny voromahery manidina. Samy nanana elatra enina avy ireo Zava-manana aina efatra ireo, feno maso ny manodidina ny tenany sy ny tao anatiny, ary tsy nitsahatra izy ireo, fa nilaza andro aman'alina hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra, mahefa ny zavatra rehetra, izay taloha sy ankehitriny ary ho avy. Nony injay ireo Zava-manana aina manome haja amam-boninahitra sy saotra an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy velona mandrakizay mandrakizay, ireo Anti-dahy efatra amby roapolo kosa dia miankohoka eo anoloan'ilay mipetraka amin'ny seza fiandrianana koa, sy mitsaoka an'ilay velona mandrakizay mandrakizay, ary manipy ny satro-boninahiny eo anoloan'ny seza fiandrianany, ka manao hoe: Hianao, ry Tomponay sy Andriamanitray no mendrika handray ny haja amam-boninahitra ary fahefana, fa hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitra-ponao ihany no nisiany sy naha-àry azy.
Salamo
Salamo 150(149),1-2.3-4.5-6.
Aleloia! Miderà an'Andriamanitra eo amin'ny fitoerany masina! Miderà azy amin'ny fitoeran'ny fahefany! Miderà azy noho ny asa nataony amin-kerim-po! Miderà azy araka ny fahalehibeazany tsy hita noanoa! Miderà azy amin'ny feon-trompetra! Miderà azy amin'ny harpa aman-dokanga! Miderà azy amin'ny dihy miaraka amin'ny ampongatapaka! Miderà azy amin'ny sodina aman-java-maneno tendrena! Miderà azy amin'ny kipantsona mazava feo! miderà azy amin'ny kipantsona mikarantsana! Aoka hidera an'ny Tompo ny manam-pofon'aina rehetra! Aleloia!
Evanjely
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 19,11-28.
Raha mbola nihaino izany ny olona dia nanao ity fanoharana ity koa Jesoa, fa efa akaikin'i Jerosalema izy, ary nataon'ny olona fa ny fanjakan'Andriamanitra hiseho miaraka amin'izay, ka hoy izy: Nisy andriandahy anankiray nankany an-tany lavitra mba handray fanjakana, dia mbola hiverina. Dia niantso folo lahy tamin'ny mpanompony izy ka nanome azy mina folo ary nanao taminy hoe: Ampitomboy ireny mandra-piveriko. Fa nankahala azy kosa ny vahoaka iray tanin-drazana aminy ka nampitondra teny nanaraka azy nanao hoe: Tsy tianay hanjaka aminay iny lehilahy iny. Nony nahazo fanjakana izy ka tafaverina, dia nampaka ny mpanompo nomeny vola mba hahitany izay tombony azony avy. Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: Tompoko, nahazoana mina folo ny mina iray. Ary hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara, noho hianao nahatoky tamin'ny kely, dia hanapaka tanàna folo hianao. Dia tonga koa ny faharoa ka nanao hoe: Tompoko, nahazoana mina dimy ny mina iray. Ary hoy izy taminy: Hanapaka tanàna dimy koa hianao. Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: Tompoko, indro ny minanao, fa notahiriziko tao anaty lamba; satria natahotra anao aho, noho hianao lehilahy sarotiny ka maka izay tsy napetrakao, sy mijinja izay tsy nafafinao. Dia hoy ilay mpanjaka taminy: Azoko amin'ny vavanao hianao, ry mpanompo ratsy fanahy; fantatrao fa olona sarotiny aho ka maka izay tsy napetrako ary mijinja izay tsy nafafiko; koa nahoana àry no tsy napetrakao tany amin'ny banky ny volako mba handraisako azy mban-janany rahefa tafaverina aho? Dia izao no nataony tamin'izay teo: Alao ny minany eny aminy ka omeo ilay manana folo. Fa hoy ireo taminy: Tompoko, efa manana mina folo izy. Lazaiko aminareo fa izay manana no homena; fa izay tsy manana kosa dia halaina mbamin'izay ananany aza. Ary ireo fahavaloko tsy nety hanjakako ireo kosa dia ento atý, ka vonoy eto anatrehako. Rahefa niteny izany Jesoa, dia nandeha nialoha hiakatra any Jerosalema,
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT
Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.
Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.