Alakamisy Fahatelo amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Vakiteny voalohany
Apokalipsa na Fanambarana Nosoratan'i Md Joany 5,1-10.
Ary indro, hitako teny an-tànana an-kavanan'ilay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana boky voasoratra tao anatiny sy teo ivelany, voaisy tombo-kase fito. Dia indro, nisy anjely mahery anankiray niantso tamin'ny feo mafy hoe: Iza no mendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny? Ary tsy nisy, na tany an-danitra, na tety an-tany, na tany ambanin'ny tany, nahasokatra na nahajery azy akory. Koa nitomany mafy aho, fa tsy hita izay mendrika hanokatra ny boky sy hijery azy. Dia hoy ny anankiray tamin'ny Anti-dahy tamiko: Aza mitomany, fa indro, efa nandresy ny Liona avy amin'ny fokon'i Jodà sy solofon'i Davida, ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito. Ary hitako, fa indro, teo afovoan'ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra, sy teo afovoan'ireo Anti-dahy, dia nisy Zanak'ondry nitsangana, tahaka ny voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina any amin'ny tany rehetra. Dia tonga izy ka nandray ny boky teny an-tànan'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana. Nony nandray ny boky izy, dia niankohoka teo anoloan'ny Zanak'ondry ny Zava-manana aina efatra sy ny Anti-dahy efatra amby roapolo, izay samy nanana lokanga sy lovia volamena feno zava-manitra, dia ny fivavahan'ny olon-masina izany. Ary nanao hira vaovao izy ireo nanao hoe: Hianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny. Fa voavono hianao, ka ny rànao no nanavotanao ho an'Andriamanitra ny fokom-pirenena rehetra sy ny samihafa fiteny, mbamin'ny fanjakana sy ny firenena rehetra. Nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitra izy ireo, ka manjaka ety ambonin'ny tany.
Salamo
Salamo 149(148),1-2.3-4.5-6a.9b.
Aleloia! Mihirà fihiram-baovao ho an'ny Tompo: hanakoako eo amin'ny fiangonan'ny olomasina anie ny fiderana azy! Hifaly amin'ny Mpahary azy anie Israely, hientan-karavoana amin'ny Mpanjakany anie ny zanak'i Siona! Aoka izy ireo hidera ny anarany amin'ny dihiny; aoka hihira azy amin'ny ampongatapaka sy ny harpa! Fa ankasitrahan'ny Tompo ny vahoakany; manome voninahitra ny ambany toetra, amin'ny famonjeny azy izy. Mandresy amim-boninahitra ny mpino, mientan-kafaliana eo am-pandriany izy ireo. Eo am-bavany ny fiderana an'Andriamanitra, ary eo an-tànany ny sabatra roa lela. mba hampihatra amin'izy ireo ny teny fitsarana voasoratra: Voninahitra voatokana ho an'ny mpino azy rehetra izany. Aleloia!
Evanjely
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 19,41-44.
Ary nony mby akaiky izy ka nahita an'i Jerosalema dia nitomany azy nanao hoe: Raha izay kosa mantsy hianao no mba nahalala izay hampiadana anao, na dia amin'ity andro nomena anao ity ihany aza! Fa takona ny masonao izany ankehitriny. Ka ho avy aminao ny andro hanaovan'ny fahavalonao hady manodidina anao; hosaronany hianao sy hotereny hatraiza hatraiza, ary hofongorany hatramin'ny tany mbamin'ny zanakao eo anatinao ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, satria tsy nahalala ny andro namangiana anao hianao.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT
Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.
Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.