Zoma Fahatelo amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Vakiteny voalohany
Apokalipsa na Fanambarana Nosoratan'i Md Joany 10,8-11.
Ary niteny tamiko indray ilay feo reko avy any an-danitra, nanao hoe: Mandehana alao ny boky kely mivelatra eny an-tànan'ilay anjely mitsangana eo ambonin'ny ranomasina sy ny tany. Dia nankany amin'ilay anjely aho sy nilaza taminy hanome ahy ny boky, ka hoy ny navaliny ahy: Raiso ka atelemo izy; hangidy izy ao an-kibonao, nefa ho mamy toy ny tantely eo am-bavanao. Noraisiko ny boky teny an-tànan'ilay anjely, dia nateliko avokoa, ka mamy toy ny tantely izy tao am-bavako, fa nony nateliko kosa, dia tsaroako nangidy tao an-kiboko. Tamin'izay dia nisy nilaza tamiko hoe: Olona maro sy firenena maro sy fiteny samihafa ary mpanjaka maro koa no tsy maintsy mbola haminanianao.
Salamo
Salamo 119(118),14.24.72.103.111.131.
Ny manaraka ny fampianaranao dia hahazoako fifaliana toy ny hananako ny harena rehetra. Eny, ny fampianaranao no fahafinaretako, izy no olona mpanolo-tsaina ahy. Ny lalàna naloaky ny vavanao no tsara ho ahy; mihoatra noho ny volamena sy volafotsy miavosa. Endrey, mamy loatra amin'ny lanilaniko ny teninao, manoatra noho ny tantely amin'ny vavako. Ny fampianaranao no ananako mandrakizay mba ho lova, fa fifalian'ny foko izy. Atanatanako ny vavako, dia mitroka aho, fa lian-kitelina ny didinao aho.
Evanjely
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 19,45-48.
Nony niditra tao an-tempoly izy, dia nandroaka ny mpivarotra sy ny mpividy tao, ka nanao taminy hoe: Efa voasoratra, fa ny tranoko dia trano fivavahana, nefa hianareo kosa nanao azy ho zohin'ny mpangalatra. Dia nampianatra isan'andro tao an-tempoly izy; fa ny lehiben'ny mpisorona sy mpanora-dalàna ary ny loholona kosa nitady hahafaty azy; nefa tsy hitan'izy ireo izay hevitra hoenti-manao izany, satria faly sy ravo nihaino azy ny vahoaka rehetra.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT
Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.
Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.