LC
Lectio Contexta

Vakiteny sy fandinihana isan’andro

Misy ihany koa amin'ny fiteny 11.

Asabotsy Fahatelo amby telopolo tsotra Mandavan-taona

Vakiteny voalohany

Apokalipsa na Fanambarana Nosoratan'i Md Joany 11,4-12.

Izy ireo no fototr'oliva roa sy fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan'ny Tompon'ny tany.
Ka raha misy te-hanisy ratsy azy ireo, dia hisy afo mivoaka avy any am-bavany handevona ny fahavalony, ary hovonoina toy izany avokoa izay mitady hamely azy.
Manam-pahefana hanidy ny lanitra izy ireo, mba tsy hilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro haminaniany; sady manam-pahefana amin'ny rano koa izy, ka mahova azy ho rà, sy hamely ny tany amin'ny loza rehetra isaky ny te-hanao izany izy.
Ary rahefa vita ny fanambaran'izy ireo, dia hiady aminy ilay Biby hiakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa, ka haharesy azy sy hahafaty azy;
ary ny fatiny dia hiampatra eo an-kianjan'ny tanàna lehibe izay atao amin'ny teny an'ohatra hoe: Sodoma sy Ejipta, eo amin'ilay namantsihana ny Tompony tamin'ny hazo fijaliana.
Olona samihafa firenena sy foko sy fiteny ary fanjakana no hijery ny fatiny miampatra eo, hateloan'andro sy tapany, fa tsy havelany halevina any am-pasana izy ireo.
Hifaly ny mponina ety ambonin'ny tany noho ny amin'izy ireo; hiara-miravoravo sy hifanati-javatra izy ireo, fa nampijaly ny mponina tety an-tany ireo mpaminany roa ireo.
Nony afaka hateloana sy tapany anefa, dia nisy fanahin'aina avy amin'Andriamanitra, niditra tamin'ireo faty ireo, ka nijoro tamin'ny tongony izy, ary raiki-tahotra mafy izay nahita azy.
Sady injay koa nisy feo avy any an-danitra nanao taminy hoe: Miakara aty. Dia niakatra any an-danitra tao anatin'ny rahona, sy teo anatrehan'ny fahavalony izy ireo.

Salamo

Salamo 144(143),1.2.9-10.

Nataon'i Davida. Isaraona anie Iaveh vatolampiko, izay nampianatra ny tànako hiady, ary ny rantsan-tànako hiantafika.
Mpanao soa ahy aman-trano mimandako, fialofako avo amam-panafaka ahy, ampingako amam-pialofako, izay mandamina ny vahoakako hanoa ahy!
Andriamanitra, hihira fihiram-baovao ho anao aho, hankalaza anao amin'ny valiha tory folo aho.
Hianao izay nanome fandresena ny mpanjaka, sy namonjy an'i Davida mpanomponao amin'ny sabatra mahafaty,

Evanjely

Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 20,27-40.

Dia nanatona koa ny sasany tamin'ny Sadoseana izay mandà ny fitsanganan'ny maty, ka nanontany azy hoe:
Ry Mpampianatra ô, Moizy nanome lalàna ho antsika hoe: Raha misy lehilahy manambady ka maty momba, dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.
Koa nisy olona fito mirahalahy, ary nanambady ny zokiny, fa maty momba.
Dia nanambady an-dravehivavy ny faharoa, fa maty momba koa.
Nanaraka izany dia nanambady azy indray ny fahatelo, ary nanao toy izany avokoa izy fito mirahalahy, fa maty momba daholo.
Farany, dia maty koa ravehivavy.
Koa ho vadin'iza ravehivavy raha mby amin'ny fitsanganan'ny maty? fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito lahy?
Dia hoy Jesoa taminy: Ny zanak'izao fiainana izao no mampaka-bady sy avoaka hampakarina;
fa izay efa hita ho mendrika hahazo ny fiainana ho avy sy ny fitsanganana amin'ny maty kosa, dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina,
ary tsy mety maty intsony izy, fa tahaka ny anjely sady zanak'Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin'ny maty.
Ary raha ny hoe hitsangana ny maty, dia zavatra efa nambaran'i Moizy teo amin'ilay nilazany ny Voaroy izany, fa tamin'io izy dia niantso ny Tompo hoe: Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaaka ary Andriamanitr'i Jakoba.
Koa velona eo anatrehany izy rehetra ireo, satria tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an'ny velona.
Dia namaly ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna ka nanao taminy hoe: Ry Mpampianatra ô, marina ny filazanao.
Ary tsy nisy sahy nanontany azy intsony izy ireo.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT

Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.

Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.