Fankalazana an'i Kristy Mpanjaka
Vakiteny voalohany
Bokin'i Ezekiela 34,11-12.15-17.
Fa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro izaho dia izaho ihany no hiahy ny ondriko, sy handinidinika azy. Toy ny fandinidiniky ny mpiandry ny ondriny, amin'ny andro hitsanganany eo amin'ireo ondriny mihahaka no handinidinihako ny ondriko; ary hesoriko izy ireo, hiala any amin'ny tany rehetra efa nielezany tamin'ny andro mandrahona sy manjombona. Izaho no hiandry ny ondriko, izaho ho hampandry azy; - teny marin'ny Tompo Iaveh. Ny very, hotadiaviko; ny nania, haveriko; ny naratra, hotsaboiko; ary ny marary, hohatanjahako; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa, haringako; handrasako ara-drariny, izy ireo. Ary ny aminareo, ry ondriko, izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro aho, hitsara, manavaka ny reniondry sy ny reniondry; manavaka ny ondralahy sy ny osilahy.
Salamo
Salamo 23(22),1-2a.2b-3.5.6.
Iaveh no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho. Mampijanona ahy eo amin'ny vilona maitso izy, mitondra ahy ho eo amoron-drano mampangatsiatsiaka; Mampijanona ahy eo amin'ny vilona maitso izy, mitondra ahy ho eo amoron-drano mampangatsiatsiaka; mamelombelona ny fanahiko. Mitarika ahy amin'ny lala-mahitsy; noho ny anarany. Mamelatra latabatra eo anoloako, eo imason'ny fahavaloko hianao, manosotra diloilo ny lohako hianao, feno mitafotafo ny kapoakako. Eny fahasambarana amam-pahasoavana no homba ahy, amin'ny andro rehetra hiainako; dia hitoetra ao an-tranon'ny Tompo aho, mandritra ny andro lava.
Vakiteny faharoa
Taratasy Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana 15,20-26.28.
Tsy izany anefa, fa efa nitsangana tamin'ny maty tokoa ny Kristy, ary izy no santatr'izay efa nody mandry; satria olona iray no nihavian'ny fahafatesan'ny olona ka dia olona iray koa no ihavian'ny fitsanganan'ny maty; ary toy ny ahafatesan'ny olon-drehetra ao amin'i Adama, no hahaveloman'ny olon-drehetra ao amin'ny Kristy, fa manaraka ny laharany avy: ny Kristy no santatra, dia izay an'ny Kristy amin'ny andro hihaviany. Rahefa afaka izany, tonga ny farany, dia rahatrizay hatolony amin'Andriamanitra sy amin'ny Ray ny fanjakana, rahefa levony avokoa ny fanapahana sy ny fahefana ary ny hery rehetra. Satria tsy maintsy manjaka izy ambara-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin'ny tongony. Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena, fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin'ny tongony. Koa rahefa nampanekena azy ny zavatra rehetra, na izy Zanaka koa aza dia hanaiky izay nampanaiky azy ny zavatra rehetra, mba ho zavatra rehetra amin'izy rehetra Andriamanitra.
Evanjely
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Matio 25,31-46.
Ary rahefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak'olona otronin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny izy; ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra, ary izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy; ny ondry moa hataony eo an-kavanany; ary ny osy kosa eo an-kaviany. Amin'izay ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo an-kavanany hoe: Avia hianareo, ry nohasoavin'ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao. Fa noana aho, nomenareo hanina, nangetaheta aho, nomenareo hosotroina; nivahiny aho, nampiantranoinareo; tsy nitafy aho, notafianareo; narary aho, novangianareo, tany an-tranomaizina aho, notsidihinareo. Ary dia hamaly azy ny marina ka hanao hoe: Tompo, oviana no hitanay noana hianao ka nomenay hanina; nangetaheta ka nomenay hosotroinao? Oviana no hitanay nivahiny hianao ka nampiantranoinay, na tsy nitafy ka notafinay? Oviana no hitanay narary hianao na tany an-tranomaizina ka novangianay? Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto hianareo, dia nanao izany tamiko. Ary dia hiteny amin'ireo eo an-kaviany kosa indray izy ka hanao hoe: Mialà amiko hianareo, ry voaozona, mba ho any amin'ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an'ny demony sy ny anjeliny. Fa noana aho, tsy nomenareo hanina; nangetaheta aho, tsy nomenareo hosotroina; nivahiny aho, tsy nampiantranoinareo; tsy nitafy aho, tsy notafianareo; narary aho sy tany an-tranomaizina, tsy novangianareo. Dia hamaly azy koa ireo hanao hoe: Tompo, oviana no hitanay noana hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary, na tany an-tranomaizina ka tsy namonjy anao izahay? Fa hovaliany hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny tsy nanao izany tamin'ny anankiray amin'ireto kely indrindra ireto hianareo, dia tsy nanao izany tamiko koa. Dia ho any amin'ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin'ny fiainana mandrakizay.
Hanohy hiresaka ao amin'ny ChatGPT
Mampisokatra resaka vaovao miaraka amin'ireto lahatsoratra ireto.
Hafindra any amin'ny ChatGPT ny lahatsoratra amin'ny alalan'ny rohy. Aza mizara angon-drakitra manokana tsy tianao hozaraina.